|
|
|
|

Chapters and verses mentioning Jese

  Ruth Rota Rota Livre de Ruth
...............
Rot Rt 4.17 And the women her neighbours gave it a name, saying, There is a son born to Naomi; and they called his name Obed: he is the father of Jesse, the father of David. Ary ny vehivavy namany nifidy ny anarany ka nanao hoe: Misy zazalahy teraka ho an' i Naomy; ary ny anarany nataony hoe Obeda; izy no rain' i Jese, rain' i Davida. Ny vehivavy namany kosa nanome anarana azy nanao hoe: Nahazo zazalahy Noemì, ka nataony hoe Obeda, no anarany. Izy no rain' i Isaia, rain' i Davida. Les voisines lui donnèrent un nom, elles dirent : " Il est né un fils à Noémi " et elles le nommèrent Obed. C' est le père de Jessé, père de David.
...............
Rot Rt 4.22 And Obed begat Jesse, and Jesse begat David. ary Obeda niteraka an' i Jese; ary Jese niteraka an' i Davida. Obeda niteraka an' i Isaia, Isaia niteraka an' i Davida. Et Obed engendra Jessé et Jessé engendra David.

  1st Samuel 1 Samoela Samoela I 1er Livre de Samuel
1Sm / 1Sam 16.1 And the Lord said unto Samuel, How long wilt thou mourn for Saul, seeing I have rejected him from reigning over Israel? fill thine horn with oil, and go, I will send thee to Jesse the Bethlehemite: for I have provided me a king among his sons. Ary hoy Jehovah tamin' i Samoela: Mandra-pahoviana no hahalahelovanao an' i Saoly, nefa Izaho efa nandà azy tsy ho mpanjakan' ny Isiraely? fenoy diloilo ny tandrokao, ka mandehana, fa hirahiko ho any amin' i Jese Betlehemita ianao; fa efa nahita mpanjaka ho Ahy ao amin' ny zanany Aho. Ka hoy Iaveh tamin' i Samoela: Mandra-pahoviana no hitomanianao an' i Saola, kanefa aho manary azy tsy ho mpanjaka amin' Israely intsony? Fenoy diloilo ny tandrokao, dia mandehana fa irahiko ho amin' Isaï any Betleema hianao, satria amin' ny zanany no nahitako ilay mpanjaka tiako. Yahvé dit à Samuel : " Jusques à quand resteras-tu à pleurer Saül, alors que moi je l' ai rejeté pour qu' il ne règne plus sur Israël ? Emplis d' huile ta corne et va! Je t' envoie chez Jessé le Bethléemite, car je me suis choisi un roi parmi ses fils. "
...............
1Sm / 1Sam 16.3 And call Jesse to the sacrifice, and I will shew thee what thou shalt do: and thou shalt anoint unto me him whom I name unto thee. Ary antsoy Jese mba ho any amin' ny fanatitra, ary Izaho no hampahafantatra anao izay hataonao; ka dia hohosoranao ho Ahy izay holazaiko aminao. Ary asao Isaï amin' ny sorona, fa hampahafantariko anao izay tokony hataonao, dia hohosoranao ho ahy izay hotondroiko aminao. Tu inviteras Jessé au sacrifice et je t' indiquerai moi-même ce que tu auras à faire : tu oindras pour moi celui que je te dirai. "
...............
1Sm / 1Sam 16.5 And he said, Peaceably: I am come to sacrifice unto the Lord: sanctify yourselves, and come with me to the sacrifice. And he sanctified Jesse and his sons, and called them to the sacrifice. Ary hoy izy: Fihavanana; avy hamono zavatra hatao fanatitra ho an' i Jehovah aho; hamasino ny tenanareo, ary andeha hiaraka amiko ho any amin' ny fanatitra. Dia nohamasininy Jese sy ny zanany ka nasainy ho any amin' ny fanatitra. Dia hoy Samoela: Hampiadana! Tonga hanatitra sorona ho an' ny Tompo aho. Ka hamasino ny tenanareo, ary andeha hiaraka amiko ho any amin' ny sorona. Dia nanamasina an' Isaï sy ny zanany izy, sy nanasa azy ireo ho any amin' ny sorona. " Oui, répondit Samuel, je suis venu offrir un sacrifice à Yahvé. Purifiez-vous et venez avec moi au sacrifice. " Il purifia Jessé et ses fils et les invita au sacrifice.
...............
1Sm / 1Sam 16.8 Then Jesse called Abinadab, and made him pass before Samuel. And he said, Neither hath the Lord chosen this. Ary Jese niantso an' i Abinadaba ka nampandalo azy teo anatrehan' i Samoela. Fa hoy izy: Tsy ity no nofidin' i Jehovah. Dia Abinadaba indray no nantsoin' Isaï, ka nampandaloviny teo anatrehan' i Samoela fa hoy Samoela: Ity koa tsy mba nofidin' ny Tompo. Jessé appela Abinadab et le fit passer devant Samuel, qui dit : " Ce n' est pas lui non plus que Yahvé a choisi. "
1Sm / 1Sam 16.9 Then Jesse made Shammah to pass by. And he said, Neither hath the Lord chosen this. Ary Jese dia nampandalo an' i Sama indray. Fa hoy izy: Tsy ity no nofidin' i Jehovah. Dia Samà indray no nampandalovin' Isaï, fa hoy Samoela: Tsy mbola ilay voafidin' ny Tompo koa ity. Jessé fit passer Shamma, mais Samuel dit : " Ce n' est pas lui non plus que Yahvé a choisi. "
1Sm / 1Sam 16.10 Again, Jesse made seven of his sons to pass before Samuel. And Samuel said unto Jesse, The Lord hath not chosen these. Ary Jese nampandalo fito lahy tamin' ny zanany teo anatrehan' i Samoela. Fa hoy Samoela tamin' i Jese: Tsy nofidin' i Jehovah ireto. Nampandalovin' Isaï teo anatrehan' i Samoela koa ireto fito mirahalahy tamin' ny zanany ary hoy Samoela tamin' Isaï : Tsy misy nofidin' ny Tompo amin' ireto. Jessé fit ainsi passer ses sept fils devant Samuel, mais Samuel dit à Jessé : " Yahvé n' a choisi aucun de ceux-là. "
1Sm / 1Sam 16.11 And Samuel said unto Jesse, Are here all thy children? And he said, There remaineth yet the youngest, and, behold, he keepeth the sheep. And Samuel said unto Jesse, Send and fetch him: for we will not sit down till he come hither. Ary hoy Samoela tamin' i Jese: Tapitra eto avokoa va ny zanakao-lahy rehetra? Dia hoy izy: Ny faralahy no sisa, fa miandry ondry izy. Ary hoy Samoela tamin' i Jese: Maniraha haka azy, fa tsy hipetraka hihinana isika ambara-pahatongany eto. Ary hoy Samoela tamin' Isaï: Ireo ihany va no zatovolahy rehetra? Dia hoy Isaï: Mbola misy ilay faralahy, ka indro fa miandry ondry izy. Ka hoy Samoela tamin' Isaï: Ampanalao izy, fa tsy hipetraka hihinana isika raha tsy efa tonga izy. Il demanda à Jessé : " En est-ce fini avec tes garçons ? ", et celui-ci répondit : " Il reste encore le plus jeune, il est à garder le troupeau. " Alors Samuel dit à Jessé : " Envoie-le chercher, car nous ne nous mettrons pas à table avant qu' il ne soit venu ici. "
...............
1Sm / 1Sam 16.18 Then answered one of the servants, and said, Behold, I have seen a son of Jesse the Bethlehemite, that is cunning in playing, and a mighty valiant man, and a man of war, and prudent in matters, and a comely person, and the Lord is with him. Dia namaly ny anankiray amin' ny zatovony ka nanao hoe: Indro, ny anankiray amin' ny zanak' i Jese Betlehemita no hitako mahay mitendry, sady lehilahy mahery sy mpanafika izy ary mahay mandaha-teny sy lehilahy tsara tarehy, ary Jehovah momba azy. Ary niteny ny iray tamin' ny mpanompony nanao hoe: Hitako ny iray amin' ny zanak' Isaï ao Betleema, mahay mitendry harpa; lehilahy matanjaka sy mahery an' ady, mahay miteny, tsara tarehy, ary omban' ny Tompo. L' un des serviteurs prit la parole et dit : " J' ai vu un fils de Jessé, le Bethléemite : il sait jouer, et c' est un vaillant, un homme de guerre, il parle bien, il est beau et Yahvé est avec lui. "
1Sm / 1Sam 16.19 Wherefore Saul sent messengers unto Jesse, and said, Send me David thy son, which is with the sheep. Ary Saoly dia naniraka tany amin' i Jese ka nanao hoe: Iraho hankatý amiko Davida zanakao izay miandry ondry. Dia nandefa iraka nankany amin' Isaï Saola hilaza aminy hoe: Alefaso hankaty amiko Davida zanakao, izay miandry ondry. Saül dépêcha donc des messagers à Jessé, avec cet ordre : " Envoie-moi ton fils David qui est avec le troupeau . "
1Sm / 1Sam 16.20 And Jesse took an ass laden with bread, and a bottle of wine, and a kid, and sent them by David his son unto Saul. Ary Jese naka mofo tokony ho zakan' ny boriky iray sy divay iray siny hoditra sy zanak' osy, ka nampitondrainy an' i Davida zanany ho an' i Saoly ireo. Koa naka ampondra anankiray Isaï, mambin' ny mofo sy ny divay iray siny hoditra ary zanak' osy iray, ka nampitondrainy an' i Davida zanany ireo ho an' i Saola. Jessé prit cinq pains, une outre de vin, un chevreau et fit tout porter à Saül par son fils David.
...............
1Sm / 1Sam 16.22 And Saul sent to Jesse, saying, Let David, I pray thee, stand before me; for he hath found favour in my sight. Ary Saoly naniraka tany amin' i Jese nanao hoe: Masìna ianao, avelao Davida hitoetra eo anatrehako, fa efa mahita fitia amiko izy. Ary Saola naniraka olona hilaza amin' Isaï hoe: Aoka Davida mba hitoetra eto anatrehako, fa nahita fitia teo imasoko izy! Saül envoya dire à Jessé : " Que David reste donc à mon service, car il a gagné ma bienveillance. "
...............
1Sm / 1Sam 17.12 Now David was the son of that Ephrathite of Bethlehemjudah, whose name was Jesse; and he had eight sons: and the man went among men for an old man in the days of Saul. Ary Davida dia zanak' ilay Efratita avy any Betlehema-joda atao hoe Jese, izay nanana zanaka valo mirahalahy; ary Jese dia efa zokiolona sy anti-panahy tamin' ny andron' i Saoly; Ary Davida dia zanak' ilay Efrateana, tany Betleema any Jodà, atao hoe Isaïa izay nanan-janaka valo lahy. Ary lehilahy efa anti-panahy ihany izy sy efa nandroso fahanterana tamin' ny andron' i Saola. David était le fils d' un Éphratéen de Bethléem de Juda, qui s' appelait Jessé et qui avait huit fils. Cet homme, au temps de Saül, était vieux et chargé d' années.
1Sm / 1Sam 17.13 And the three eldest sons of Jesse went and followed Saul to the battle: and the names of his three sons that went to the battle were Eliab the firstborn, and next unto him Abinadab, and the third Shammah. ary ny zokiny telo lahy tamin' ny zanak' i Jese lasa nanaraka an' i Saoly nankany an-tafika; ary ny anaran' ny zanany telo lahy lasa nankany an-tafika dia Eliaba, lahimatoa, sy Abinadaba, lahiaivo, ary Sama no fahatelony; Lasa nanaraka an' i Saola tany amin' ny ady ny telo lahy zokiny tamin' ny zanak' Isaïa; ary izao no anaran' ireo zanany telo lahy lasa tany amin' ny ady: Eliaba no lahimatoa, Abinadaba no lahiaivo, ary Samà no fahatelony. Les trois fils aînés de Jessé partirent en guerre derrière Saül. Ses trois fils qui partirent en guerre s' appelaient, l' aîné Éliab, le second Abinadab et le troisième Shamma.
...............
1Sm / 1Sam 17.17 And Jesse said unto David his son, Take now for thy brethren an ephah of this parched corn, and these ten loaves, and run to the camp of thy brethren; Ary hoy Jese tamin' i Davida zanany: Ento ity lango eran' ny efaha ity sy ireto mofo folo ireto ho an' ny rahalahinao; ka dia atero faingana ho any an-toby ho any amin' ny rahalahinao. Ary hoy Isaïa tamin' i Davida, zanany: Ento ho an' ny rahalahinao ity lango iray efaha ity, sy ireto mofo folo ireto ka mandehana faingana mankany an-toby amin' ny rahalahinao. Jessé dit à son fils David : " Emporte donc à tes frères cette mesure de grain grillé et ces dix pains, va vite au camp vers tes frères.
...............
1Sm / 1Sam 17.20 And David rose up early in the morning, and left the sheep with a keeper, and took, and went, as Jesse had commanded him; and he came to the trench, as the host was going forth to the fight, and shouted for the battle. Dia nifoha maraina koa Davida ka namela ny ondriny hotandreman' olona, ary naka ny entany izy ka lasa nandeha araka ny nandidian' i Jese azy; ary tonga teo amin' ny sehatra-sariety izy; ary ny antokon' ny miaramila izay efa hivoaka hilahatra dia nanakora hiady tamin' izay. Nifoha maraina koa Davida, dia navelany tamin' ny mpiandry anankiray ny ondriny, noraisiny ireto vatsy ka nandeha araka ny nandidian' Isaïa azy izy. Tamin' ny nahatongavany tao amin' ny fitobiana indrindra dia nivoaka avy ao an-toby ndeha hilahatra hiady ny tafika, ka velona ny akoran' ady. David se leva de bon matin, il laissa le troupeau à un gardien, prit sa charge et partit comme lui avait ordonné Jessé. Il arriva au campement au moment où l' armée sortait pour prendre ses positions et poussait le cri de guerre.
...............
1Sm / 1Sam 17.58 And Saul said to him, Whose son art thou, thou young man? And David answered, I am the son of thy servant Jesse the Bethlehemite. Dia hoy Saoly taminy: Zanak' iza moa ianao, ry zatovo? Ary hoy Davida: Zanak' i Jese Betlehemita mpanomponao aho. Dia hoy Saola taminy: Zanak' iza moa hianao, ry zatovo? Ary hoy Davida namaly hoe: zanak' Isaïa mpanomponao any Betleema. Saül lui demanda : " De qui es-tu le fils, jeune homme ? " David répondit : " De ton serviteur Jessé le Bethléemite. "
...............
1Sm / 1Sam 20.27 And it came to pass on the morrow, which was the second day of the month, that David' s place was empty: and Saul said unto Jonathan his son, Wherefore cometh not the son of Jesse to meat, neither yesterday, nor to day? Ary nony tamin' ny andro faharoa dia ny ampitson' ny tsinam-bolana, ka mbola foana ihany ny fipetrahan' i Davida, dia hoy Saoly tamin' i Jonatana zanany: Ahoana no tsy mba nahatongavan' ny zanak' i Jese hihinana omaly sy androany? Nony ampitso, andro faharoan' ny volan-tsinana, mbola foana ihany ny fipetrahan' i Davida, ka hoy Saola tamin' i Jonatasy zanany: Nahoana ny zanak' Isaïa no tsy tonga tamin' ny fanasana, omaly sy androany? Le lendemain de la nouvelle lune, le second jour, la place de David resta inoccupée et Saül dit à son fils Jonathan : " Pourquoi le fils de Jessé n' est-il venu au repas ni hier ni aujourd' hui ? "
...............
1Sm / 1Sam 20.30 Then Saul' s anger was kindled against Jonathan, and he said unto him, Thou son of the perverse rebellious woman, do not I know that thou hast chosen the son of Jesse to thine own confusion, and unto the confusion of thy mother' s nakedness? Dia nirehitra tamin' i Jonatana ny fahatezeran' i Saoly, ka hoy izy taminy: Hianao zanaky ny vehivavy maditra sy mpiodina, moa tsy fantatro va fa mifidy ny zanak' i Jese ianao ho henatrao sy ho henatry ny kibon' ny reninao. Izay dia nirehitra tamin' i Jonatasy ny fahatezeran' i Saola ka hoy izy taminy: Ry zana-behivavy ratsy sy maditra. Moa tsy fantatro fa misakaiza amin' ny zanak' Isaï hianao? Ho fahafaham-baraka hoanao sy ho fahafaham-baraka ho an' ny kibon-dreninao izany! Saül s' enflamma de colère contre Jonathan et il lui dit : " Fils d' une dévoyée! Ne sais-je pas que tu prends parti pour le fils de Jessé, à ta honte et à la honte de la nudité de ta mère ?
1Sm / 1Sam 20.31 For as long as the son of Jesse liveth upon the ground, thou shalt not be established, nor thy kingdom. Wherefore now send and fetch him unto me, for he shall surely die. Fa raha mbola velona etý ambonin' ny tany koa iny zanak' i Jese iny, dia tsy ho tafatoetra tsara ianao na ny fanjakanao. Koa maniraha haka azy hankatý amiko, fa meloka tokony ho faty izy. Satria raha mbola velona ety ambonin' ny tany koa iny zanak' Isaïa iny dia tsy hisy fandriam-pahalemana ho anao na ho an' ny fanjakanao. Koa ankehitriny, ampanalao izy hankaty amiko, fa zanaky ny fahafatesana izy. Aussi longtemps que le fils de Jessé vivra sur la terre, tu ne seras pas en sécurité ni ta royauté. Maintenant, fais-le chercher et amène-le-moi, car il est passible de mort. "
...............
1Sm / 1Sam 22.7 Then Saul said unto his servants that stood about him, Hear now, ye Benjamites; will the son of Jesse give every one of you fields and vineyards, and make you all captains of thousands, and captains of hundreds; dia hoy Saoly tamin' ny mpanompony izay teo anoloany: Henoy kely, ry taranak' i Benjamina: Moa ianareo rehetra koa mba homen' ny zanak' i Jese saha sy tanim-boaloboka, ary mba hataony mpifehy arivo sy mpifehy zato ianareo rehetra, Niteny tamin' ny mpanompony nilahatra teo anoloany Saola nanao hoe: Mihainoa, hianareo Benjamita: MOa ve ny zanak' Isaï hanome anareo rehetra saha aman-tanim-boaloboka koa, hanao anareo rehetra ho tompon' arivo aman-tompon-jato, Et Saül dit aux officiers qui se tenaient près de lui : " Écoutez donc, Benjaminites! Le fils de Jessé aussi vous donnera-t-il à tous des champs et des vignes et vous nommera-t-il tous chefs de mille et chefs de cent,
1Sm / 1Sam 22.8 That all of you have conspired against me, and there is none that sheweth me that my son hath made a league with the son of Jesse, and there is none of you that is sorry for me, or sheweth unto me that my son hath stirred up my servant against me, to lie in wait, as at this day? no dia miray tetika hanohitra ahy ianareo rehetra, ka tsy nisy nanambara tamiko fa ny zanako nanao fanekena tamin' ny zanak' i Jese, ary tsy nisy nalahelo ahy akory ianareo, na nanambara tamiko fa ny zanako efa nanome fo ny mpanompoko ho mpanotrika ahy tahaka ny amin' izao anio izao? no dia niray tetika hamely ahy hianareo rehetra, ka tsy mba nisy nilaza tamiko fa nanao fanekena tamin' ny zanak' Isaï ny zanako, sady tsy nisy malahelo ahy amin' izany hianareo na nampandre ahy fa ny zanako nampiodina ny mpanompoko tamiko, hamelarany fandrika amiko, araka izao ataony ankehitriny izao? que vous conspiriez tous contre moi ? Personne ne m' avertit quand mon fils pactise avec le fils de Jessé, personne de vous n' a pitié de moi et ne me révèle que mon fils a dressé mon serviteur en ennemi contre moi, comme il apparaît aujourd' hui. "
1Sm / 1Sam 22.9 Then answered Doeg the Edomite, which was set over the servants of Saul, and said, I saw the son of Jesse coming to Nob, to Ahimelech the son of Ahitub. Ary Doega Edomita, mpifehy ny mpanompon' i Saoly, namaly ka nanao hoe: Nahita ny zanak' i Jese tonga tany Noba aho tany amin' i Ahimeleka, zanak' i Ahitoba. Dia hoy Doega ilay Edomita lehiben' ny mpanompon' i Saola namaly azy: Hitako tonga tany Nobe, tao amin' i Akemeleka zanak' i Akitoba, ny zanak' i Isaï. Doèg l'Édomite, qui se tenait près des officiers de Saül, prit la parole et dit : " J' ai vu le fils de Jessé qui venait à Nob chez Ahimélek, fils d' Ahitub.
...............
1Sm / 1Sam 22.13 And Saul said unto him, Why have ye conspired against me, thou and the son of Jesse, in that thou hast given him bread, and a sword, and hast enquired of God for him, that he should rise against me, to lie in wait, as at this day? Ary hoy Saoly taminy: Nahoana ianareo no niray tetika hanohitra ahy, dia ianao sy ny zanak' i Jese, tamin' ilay nanomezanao azy mofo sy sabatra ary nanontanianao ho azy tamin' Andriamanitra hahatongavany ho mpanotrika ahy tahaka ny amin' izao anio izao? Hoy Saola taminy: Nahoana hianao sy ny zanak' Isaï no niray tatika hamely ahy: Fa nanome mofo sy sabatra azy hianao, ary nanontany an' Andriamanitra ho azy mba hikomiany amiko sy hamelarany fandrika amiko toy izao ankehitriny izao? Saül lui dit : " Pourquoi avez-vous conspiré contre moi, le fils de Jessé et toi ? Tu lui as donné du pain et une épée et tu as consulté Dieu pour lui, afin qu' il se dresse en ennemi contre moi, comme il arrive aujourd' hui. "

  2nd Samuel 2 Samoela Samoela II 2ème Livre de Samuel
2Sm / 2Sam 20.1 And there happened to be there a man of Belial, whose name was Sheba, the son of Bichri, a Benjamite: and he blew a trumpet, and said, We have no part in David, neither have we inheritance in the son of Jesse: every man to his tents, O Israel. Ary sendra nisy lehilahy iray tena ratsy fanahy teo, Seba no anarany, zanak' i Bikry Benjamita; ary nitsoka ny anjomara izy sady niantso hoe: Isika tsy manana anjara amin' i Davida na lova amin' ny zanak' i Jese; samia mody any amin' ny lainy avy, ry Isiraely ô. Nisy olon' i Beliala anankiray kosa teo, atao hoe Sebà zanak' i Bokrì, Benjamita, ka nitsoka anjomara io dia nanao hoe: Tsy manana anjara amin' i Davida isika, tsy manana lova miaraka amin' ny zanak' i Jese, ka samia mody any an-dainy avy, ry Israely ô! Or, il se trouvait là un vaurien, qui s' appelait Shéba, fils de Bikri, un Benjaminite. Il sonna du cor et dit : " Nous n' avons pas de part avec David, nous n' avons pas d' héritage sur le fils de Jessé! Chacun à ses tentes, Israël! "
2Sm / 2Sam 23.1 Now these be the last words of David. David the son of Jesse said, and the man who was raised up on high, the anointed of the God of Jacob, and the sweet psalmist of Israel, said, Ary izao no fara-teny nataon' i Davida: hoy Davida, zanak' i Jese, dia ny lehilahy izay voasandratra ho ambony, Ilay voahosotry ny Andriamanitr' i Jakoba sady mpanao fihirana mahafinaritra amin' ny Isiraely: Izao no fara-tenin' i Davida: Zava-marina nambaran' i Davida zanak' Isaia, tenin' ilay lehilahy mipetraka amin' ny toerana ambony, ilay voahosotry ny Andriamanitr' i Jakoba, ilay mpanao hiran' Israely mahate-ho tia. Voici les dernières paroles de David : Oracle de David, fils de Jessé, oracle de l' homme haut placé, de l' oint du Dieu de Jacob, du chantre des cantiques d' Israël.

  1st Book of Kings 1 Mpanjaka Mpanjaka I 1er Livre des Rois
...............
1Mp 12.16 So when all Israel saw that the king hearkened not unto them, the people answered the king, saying, What portion have we in David? neither have we inheritance in the son of Jesse: to your tents, O Israel: now see to thine own house, David. So Israel departed unto their tents. Ary nony hitan' ny Isiraely rehetra fa tsy nihaino azy ny mpanjaka, dia namaly ny mpanjaka ny vahoaka ka nanao hoe: Inona moa no anjaranay amin' i Davida? Tsy manana lova amin' ny zanak' i Jese izahay; samia mody any an-dainy avy, ry Isiraely e; ankehitriny tandremo ny taranakao, ry Davida ô. Dia samy nody ho any an-dainy avy ny Isiraely. Nony hitan' Israely rehetra fa tsy nohenoin' ny mpanjaka izy, dia hoy ny navalin' ny vahoaka ny mpanjaka: manana anjara inona amin' i Davida moa izahay? Tsy manan-dova amin' ny zanak' Isai akory izahay! Koa samia ho any an-dainao, ry Israely! Fa hianao kosa, ry Davida, ahio ny tranonao. Dia lasa Israely nankany an-dainy. Quand les Israélites virent que le roi ne les écoutait pas, ils lui répliquèrent :" Quelle part avons-nous sur David ?Nous n' avons pas d' héritage sur le fils de Jessé. A tes tentes, Israël ! Et maintenant, pourvois à ta maison, David. "Et Israël s' en fut à ses tentes.

  1st Book of Chronicles 1 Tantara Tantara I 1er Livre des Chroniques
...............
1Tt / 1Tan 2.12 And Boaz begat Obed, and Obed begat Jesse, ary Boaza niteraka an' i Obeda; ary Obeda niteraka an' i Jese; Booza niteraka an' i Obeda, Obeda niteraka an' Isaia, Booz engendra Obed, et Obed engendra Jessé.
1Tt / 1Tan 2.13 And Jesse begat his firstborn Eliab, and Abinadab the second, and Shimma the third, ary Jese niteraka an' i Eliaba, lahimatoa, sy Abinadaba, lahiaivo, sy Simea, fahatelo, Isaia niteraka an' i Eliaba lahimatoany, Abinadaba lahiaivo, Simaà fahatelo, Jessé engendra Éliab son premier-né, Abi-nadab le second, Shiméa le troisième,
...............
1Tt / 1Tan 10.14 And enquired not of the Lord: therefore he slew him, and turned the kingdom unto David the son of Jesse. ary noho ny tsy nanontaniany tamin' i Jehovah; ka dia novonoiny izy, ary nafindrany ho an' i Davida, zanak' i Jese, ny fanjakana. Tsy nila hevitra tamin' ny Tompo izy, ka dia novonoin' ny Tompo, ary nafindrany amin' i Davida zanak' Isaia ny fanjakana. Il n' avait pas consulté Yahvé, qui le fit mourir et transféra la royauté à David, fils de Jessé.
...............
1Tt / 1Tan 12.18 Then the spirit came upon Amasai, who was chief of the captains, and he said, Thine are we, David, and on thy side, thou son of Jesse: peace, peace be unto thee, and peace be to thine helpers; for thy God helpeth thee. Then David received them, and made them captains of the band. Ary Amasay, lehiben' ny mpanafika malaza, dia nampitenenin' ny Fanahy hoe: Anao izahay, ry Davida ô, fa miandany aminao, ry zanak' i Jese; fiadanana, eny, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana anie ho an' ny manampy anao; fa Andriamanitrao no manampy anao. Dia noraisin' i Davida ireo ka notendreny ho mpifehy ny miaramila. Ary Amasaì, lehiben' ny telopolo lahy, dia nosaronan' ny Fanahy, ka nanao hoe: Anao izahay ry Davida, ary momba anao, ry zanak' Isaia! Fiadanana, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana anie ho an' izay manampy anao, fa ny Andriamanitrao efa nanampy anao. Dia noraisin' i Davida izy ireo, ary nomeny toerana tamin' ny lehiben' ny antokon' ny miaramila. David s' avança au-devant d' eux, prit la parole et leur dit : " Si c' est en amis que vous venez à moi pour me prêter main-forte, je suis disposé à m' unir à vous, mais si c' est pour me tromper au profit de mes ennemis alors que mes mains n' ont fait aucun tort, que le Dieu de nos pères le voie et fasse justice! "
...............
1Tt / 1Tan 29.26 Thus David the son of Jesse reigned over all Israel. Toy izany no nanjakan' i Davida, zanak' i Jese, tamin' ny Isiraely rehetra. Nanjaka tamin' Israely rehetra Davida zanak' Isaia. David, fils de Jessé, avait régné sur tout Israël.

  2nd Book of Chronicles 2 Tantara Tantara II 2ème Livre des Chroniques
...............
2Tt / 2Tan 10.16 And when all Israel saw that the king would not hearken unto them, the people answered the king, saying, What portion have we in David? and we have none inheritance in the son of Jesse: every man to your tents, O Israel: and now, David, see to thine own house. So all Israel went to their tents. Ary nony hitan' ny Isiraely rehetra fa tsy nihaino azy ny mpanjaka, dia namaly ny mpanjaka ny vahoaka ka nanao hoe: Inona moa no anjaranay amin' i Davida ? Tsy manana lova amin' ny zanak' i Jese izahay. Samia mody any an-dainy avy, ry Isiraely e! ankehitriny tandremo ny taranakao, ry Davida ô. Dia samy nody ho any an-dainy avy ny Isiraely rehetra. Rahefa hitan' Israely rehetra fa tsy nihaino azy ny mpanjaka, dia hoy ny navalin' ny vahoaka ny mpanjaka: Manana anjara inona amin' i Davida moa izahay? Tsy manan-dova amin' ny zanak' Isaia izahay! Koa samia ho any an-dainy, ry Israely. Fa hianao kosa, ry Davida, ahio ny tranonao! Dia samy nody ho any an-dainy avy Israely rehetra. et à tous les Israélites, à savoir : que le roi ne les écouterait pas. Ils répliquèrent alors au roi : " Quelle part avons-nous sur David ? Nous n' avons pas d' héritage sur le fils de Jessé. Chacun à ses tentes, Israël! Et maintenant, pourvois à ta maison, David. " Tout Israël regagna ses tentes.
...............
2Tt / 2Tan 11.18 And Rehoboam took him Mahalath the daughter of Jerimoth the son of David to wife, and Abihail the daughter of Eliab the son of Jesse; Ary Rehoboama naka an' i Mahalota, zanakavavin' i Jerimota, zanak' i Davida, sy Abihaila, zanakavavin' i Eliaba, zanak' i Jese, ho vadiny, Nalain-dRoboama ho vady Mahalata, zanakavavin' i Jerimota, zanak' i Davida sy Ahihaila, zanakavavin' i Eliaba, zanak' Isaia, Roboam prit pour femme Mahalat, fille de Yerimot, fils de David, et d' Abihayil, fille d'Éliab, fils de Jessé.

  The Psalms Salamo Salamo Les Psaumes
...............
Sal 72.20 The prayers of David the son of Jesse are ended. Tapitra ny fivavak' i Davida, zanak' i Jese. Tapitra ny vavak' i Davida zanak' Izai. Fin des prières de David, fils de Jessé.

      Eklesiastika L'Ecclésiastique
...............
Si 45.25 Nisy fanekena koa natao tamin' i Davida, zanak' i Jese amin' ny fokon' i Joda, ka ny zanany lahy iray ihany no mifandimby hatrany mandova ny mpanjaka, fa ny lovan' i Aarona kosa dia ny taranany rehetra no mahazo azy. Il y eut une alliance avec David, fils de Jessé, de la tribu de Juda, succession royale, du père à un seul de ses fils. Mais celle d' Aaron passe à tous ses descendants.

  Book of Isaiah Isaia Izaia Livre d'Isaïe
Isa / Iz 11.1 And there shall come forth a rod out of the stem of Jesse, and a Branch shall grow out of his roots: Ary hisy Solofo mitsimoka eo amin' ny fototr' i Jese, ary hisy mitrebona avy eo amin' ny fakany; Misy rantsana hipoitra amin' ny fototr' i Jese, ary misy solofo haniry avy amin' ny fakany. Un rejeton sortira de la souche de Jessé, un surgeon poussera de ses racines.
...............
Isa / Iz 11.10 And in that day there shall be a root of Jesse, which shall stand for an ensign of the people; to it shall the Gentiles seek: and his rest shall be glorious. Ary amin' izany andro izany ny solofon' i Jese, Izay hitsangana ho fanevan' ny firenena, dia Izy no hotadiavin' ny jentilisa; Ary ny fitoerany dia ho voninahitra. Izao no hiseho amin' izany andro izany: Ny solofon' i Jese voatsangana ho fanevan' ny vahoaka samihafa, dia hotadiavin' ny firenena, ary ho be voninahitra ny fonenany. Ce jour-là, la racine de Jessé, qui se dresse comme un signal pour les peuples, sera recherchée par les nations, et sa demeure sera glorieuse.

  The Gospel according to Matthew Matio Matio L'Évangile selon Saint Matthieu
...............
Mat / Mt 1.5 And Salmon begat Booz of Rachab; and Booz begat Obed of Ruth; and Obed begat Jesse; ary Salmona niteraka an' i Boaza tamin-dRahaba; ary Boaza niteraka an' i Obeda tamin-dRota; ary Obeda niteraka an' i Jese; Salmona niteraka an' i Booza tamin' i Rahaba; Booza niteraka an' i Obeda tamin' i Rota; Obeda niteraka an' i Jese; Jese niteraka an' i Davida mpanjaka. Salmon engendra Booz, de Rahab, Booz engendra Jobed, de Ruth, Jobed engendra Jessé,
Mat / Mt 1.6 And Jesse begat David the king; and David the king begat Solomon of her that had been the wife of Urias; ary Jese niteraka an' i Davida mpanjaka. Ary Davida niteraka an' i Solomona tamin' ny vadin' i Oria; Davida mpanjaka niteraka an' i Salomona tamin' ilay vadin' i Oria; Jessé engendra le roi David. David engendra Salomon, de la femme d' Urie,

  The Gospel according to Luke Lioka Lioka L'Évangile selon Saint Luc
...............
Lio / Lk 3.32 Which was the son of Jesse, which was the son of Obed, which was the son of Booz, which was the son of Salmon, which was the son of Naasson, zanak' i Jese, zanak' i Obeda, zanak' i Boaza, zanak' i Salmona, zanak' i Nahasona, zanak' i Jesè, zanak' i Obeda, zanak' i Booza, zanak' i Salmona, zanak' i Naasona, fils de Jessé, fils de Jobed, fils de Booz, fils de Sala, fils de Naasson,

  The Acts of the Apostles Asa Asa Les Actes des Apôtres
...............
Asa 13.22 And when he had removed him, he raised up unto them David to be their king; to whom also he gave their testimony, and said, I have found David the son of Jesse, a man after mine own heart, which shall fulfil all my will. Ary rehefa nanaisotra an' i Saoly Izy, dia nanandratra an' i Davida ho mpanjakany sady nanambara azy hoe: Izaho nahita an' i Davida, zanak' i Jese, lehilahy araka ny foko, izay hanao ny sitrapoko rehetra (1 Sam. 13. 14; Sal. 89. 20). Nony nesoriny kosa indray i Saoly, i Davida no natsangany ho mpanjakan' izy ireo,dia ilay nankatoaviny tamin' ny teny hoe: Efa hitako Davida zanak' i Jese, lehilahy araka ny foko, izay hanao ny sitra-poko rehetra. Après l' avoir écarté, Dieu suscita pour eux David comme roi. C' est à lui qu' il a rendu ce témoignage : J' ai trouvé David, fils de Jessé, un homme selon mon coeur, qui accomplira toutes mes volontés.

  Letter to the Romans Romanina Romana Épître de Saint Paul aux Romains
...............
Rom / Rm 15.12 And again, Esaias saith, There shall be a root of Jesse, and he that shall rise to reign over the Gentiles; in him shall the Gentiles trust. Ary hoy koa Isaia: Hisy Solofon' i Jese. Dia Ilay hitsangana hanapaka ny jentilisa; Izy no hitokian' ny jentilisa (Iza. 11. 10). Hoy koa Izaia: Hisy solofon' i Jese, izay hitsangana hanapaka ny jentily; izy no hitokian' ny firenena rehetra. Et Isaïe dit à son tour : Il paraîtra, le rejeton de Jessé, celui qui se dresse pour commander aux nations. En lui les nations mettront leur espérance.