Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 9 Takila 11 ->

[Fanolorany ny adiny ho] eo an-tànan’Ilay mpitsara marina. Toy izao no fanaovany izany : Alainy ny volamena na volafotsy ka ankambany amin'ny basiny dia lolohaviny ka mitodika miatsinanana izy no miteny hoe : « Ianao Zanahary any ambonin’ny loha mahita ny ataon’ny olona rehetra, mikaike (miantso) Anao aho mbahitsara ity adinay ». « Raha sendra niteny ratsy na nanevateva an-dR... (ilay mpanjaka hiady aminy) ka nahatezitra azy aho, ka izany no anton’ny anafihiny ahy, marina ny azy, ka ho lefona ho basia (bala) ny azy ka handresy ahy. Fa ny ahy kosa ho rano sy fotaka ka tsy hahalaitra azy. Nefa kosa raha mba tsy maninona azy aho fa mitoetra soa eto amin'ny fanjakako tsy mihevitra zavatra hafa afa-tsy izay hahasoa ny fanjakako hiadanan’ny vahoaka hampandry fahalemanan’ny tany dia marina ny ahy ka hahery aho ka ho retsy izy, ho lefona ho basia ny ahy fa ho rano sy ho fotaka ny azy».
I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany