|
|
|
|

Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 113 Takila 115 ->

« Jesosy Kristy hanampy ahy, raha mangataka azy aho » dia nandohalika izy no niteny hoe : « Ry Jesosy ô, manampia ahy ankehitriny ka manomeza ahy fahendrena, ampio aho hahavita ny lesoko, ary omeo fahalemem-panahy amin'ireo namako ireo aho mba tsy ho tezitra aminy na dia manahirana ahy aza izy ». Izany dia fanatonana an’i Jesosy. Koa dia mangataha fahendrena amin'i Kristy mandrakariva hahazoanao fahendrena sy faharetana amin'ny raharahanao. 
III
Nisy zazavavy tsy nanoa ray aman-dreny indray andro ka niakatra tany an-efitrano ambony hitoetra irery any ohatra ny efa nofaizina, ka nitoetra teo ambony sezam-bory am-pahatezerana sy miteny hoe : « Tsy hifona na oviana na oviana aho. Eny, tsy hanao izany tokoa aho. » Nefa nanaraka izany dia menatra izy ka niteny hoe : « Maditra laotra aho, fa i neny malala dia malemy fanahy amiko » ka dia raraka ny ranomasony, « angamba raha mifona aho dia hamela ahy izy » Dia nalahelo izy ka nanao ny tànany eo an-dohany « Inona no hataoko ? » Dia nanampa-kevitra izy fa ho any amin'ny ray aman-dreniny, izay efa nanotany. Sarotra taminy
I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany