Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 49 Takila 51 ->

ery an-tampon’ny trano koa efa nasiana fotsim-bary an-dravina. Io no an’ny Zanahary, fa tsy mba mihinam-bary masaka hono Izy. Ary io atao ambony tsandetsy io dia ny an’ny fahasivy. Ity anankiray mipetraka tsotra ambony an-dravina eo ambanin’ny tsihy ity dia ho an’ny fahasivin’ny andevo maty.

Manasa tànana tsara ny mpisorona ka mandray ilay fanovo (zinga voatavo ) efa nasian-drano. Dia analany kely ny vary masaka hatao sorona eroa ka ataony ao anatin’ny fanovo ary aongany tsikelikely manaraky ny rindrina hatreny avaratra ary toy izany koa hatreny atsimo. Ny olona rehetra ao an-trano mangina tsara ka tsy misy mahazo mivoaboaka na hiditra intsony rehefa hatomboka ny raharaha ; mahagaga aza fa na ny zaza aza dia efa zatra ka tsy misy mahazo mitomany akory. Dia misioka in-telo ilay mpanampy ny mpisorona. Miteny amin'izay ny


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany