Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara |
[Ny fahatsarana rehetra na] amin'ny tarehy, na amin'ny fitsanganana na amin'ny toetoetra hafa, dia tampitr’ohatra amin'izany Andriamanitra fa tena tsara tokoa Izy hoy ny Bara. Koa raha misy olona tsara tarehy iny dia ataony hoe : « mba olona soa io lealahy hoatra ny Zanahary latsaka an-tany, eny, tsy hoatra ny naterak’olona fa hoatra ny naloan-Ndriananahary » Raha omby koa no tsara volo dia ataony koa hoe : « Zanaharin’omby irony (izany) raha ny asoan’ny volon’omby no heverina » Ny olona saiky niharan-doza nefa afaka soa aman-tsara dia vaky vava hoe : « Zanahary soa na Ndriamanitra tsy tia ratsy no nahafaka ahy tamin’izany loza izany » b- Nahary ny zavatra rehetra «Tampony ambony indrindra amin'ny fahaizan-javatra Andriamanitra» hoy izy «ka raha mba misy olombelona mahafaran-javatra dia mila hanahaka an’Andriamanitra izy amin'izany nefa mbola latsaka satria tsy mahay aina sy ny ra. » Noho izany, raha mahita ny milina isan- [karazany,] I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra XI- Farany |