Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 93 Takila 95 ->

[manan-ka] rena sy maro anaka. Dia ampihariny amin’izay fa ny anton’ny mahatoy izao ireo olona ireo, dia ny fanarahany ny fadin-drazana nampianarin’ny ray aman-dreniny azy. Faly sy mibitaka ny fon’ny ankizy mahita ireo olona efa manana ireo tokoa, ka mainka mikasa mafy izy fa tsy handika ny fadin-drazana mba ho tonga tahak’ireo olona ireo rehefa lehibe. 

2- Ny vokatr’ izany fampianarana izany

Na maty aza ny ray aman-dreniny, mbola velona ao an-tsofina ihany ireo fampianarana natao taminy ireo, ka voatahiry ao am-pony ka sarotra ny hahafaty izany tao aminy, raha hoe hevitr’olona fosiny. Ny zaza tezain’apelambatotse aza tonga matahotaho-dava amin'ny zavatra rehetra, fa toa hahadiso azy avokoa izay rehetra ataony ka tsy misy olona manao azy hoe : 


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany