|
|
|
|

Entry1  Ali-mainty mamanala
Elementary words  2  ali-mainty, mamanala
Part of speech  3  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  4  Literature: poems
Author  5  Razakandraina Jean Verdi Salomon
Full text 
6  Njany rivotra mitsoka, rivotra mamirifiry,
7  Mahangoly ny aty tsoka sady mampangirifiry;
8  Efa maty re ny afo ka tsy misy hamindroana,
9  Iza no hanafosafo? Ineny no tsaroana!

10  E! ry alin'alahelo! ali-mampahoriory,
11  Tairinao hamelovelo ny eritreritro matory,
12  Ka ny fasana mihidy no nanjary novohany,
13  " Neny tiana " no tadidy ka ny foko dia tomany.

14  Aiza izao ankehitriny, ô ry alina somamby,
15  Iny reny mamiko iny, nahazoako tambitamby?
16  Volana izy ka nisoka nefa tsy hiseho intsony!
17  Ory loatra fa sodoka ny kamboty toy itony!

18  Fony i Neny mbola teto, tsy mba nisy fahoriana,
19  Tsy mba fantatra ny sento, lavitra ny fanahiana,
20  Voronkely nombombana, nandry tsy nadisadisa ,
21  Saron'elatra mafana, nanonofy Paradisa!

22  Nefa izao dia mamanala izato alina mavany ,
23  Erika sy patrakala no nanondraka ny tany;
24  Tora-kovitra indrisy!'lay tsy zatra mba nihafy,
25  Lamba rovitra no misy, nefa tsy mba mahatafy!

26  Eny! tsy mba eto intsony i Neny nampiondan-tsandry,
27  O! ry alina malony , tairinao ny fota-mandry!
28  Ranomaso no mandriaka, sady jenjina ny loha,
29  Fa ny ali-mangatsiaka ali-mampamohafoha!

30  O! ry ali-mampisaona, mampanembona ny foko,
31  Ora firy, sa ho taona, vao hangina ny toloko?
32  Sa ny alinay kamboty holanin-kitomaniana,
33  Ho famoizana ny angoty fony nanan-dreny tiana?

34  Ngolingoly sady ana re, ry alina, izahay,
35  Lamba be tsy rtlahafana no arakotrao anay;
36  Aza ela, mikipaha, ry ali-mampisento,
37  Ry masoandro, miposaha, fiadanana no ento.

Updated on 2024/12/10