|
|
|
|

Entry1  Ary hitako
Elementary words  2  ary, hita
Part of speech  3  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  4  Literature: poems
Author  5  Andriarimalala René
Full text 
6  Ary hitako fa tsy misy zava-maharitra
7  Eto ambonin'ny tany;
8  Izay mila hoheverina ho mahafinaritra
9  Dia mihelina ihany.
10  Nisaina aho, nandinika, niandry sy niaritra,
11  Hamantatra hatrany,
12  Fa tsy misy mihitsy na dia iray aza faritra
13  Tsy tratran'izany.

14  Ary hitako ny filendan' ny olo-mangirika
15  Ny fahasambarana,
16  Mitady harena izay andriany ilika
17  Tsy misy hasasarana:
18  Ny sasany lasana lavitra ery no mijirika
19  Irony fianarana;
20  Kanefa nony azony, injay misy hiriky
21  Ny ankasomparana.

22  Ary hitako fa ireo falifaly, mpihoraka
23  Fa feno ny soa.
24  Nihevitra ho avo tsy tratry ny toraka
25  Tsy hety ho voa,
26  Dia niandry ny farany ihany hamboraka
27  Ny niafina koa:
28  Ilay aloka iray mahatra-mampangoraka;
29  Dia ny alok'akoho!

30  Ary hitako ny rehetra fa manana fetrany
31  Tsy azo ihodivirana;
32  Fa na inona kiriny sy hoe amboletrany,
33  Tiany hidirana,
34  Izay tiany indrindra tsy maintsy hapetrany
35  Tsy azo ifikirana,
36  Fa ity tany ity, dia izany no toetrany
37  - Tsy azo ifandirana.

38  Ary hitako koa fa ny ratsy dia ambinina
39  - Saiky matetika -
40  Ary angamba izy mihevitra fa tsy hoadinina,
41  Ka be fitetika,
42  Manjehy andro ho lava izay satry hofihinina,
43  Hany ka mbetika
44  Ny fieritreretany tsy hainy ampanginina
45  Iniany alentika.

46  Ary hitako am-po sy an-tsaina tsy miambatra,
47  Hitako loatra
48  Fa samy hizaka ny anjara tsy miangatra
49  - Tsy afa-manoatra -
50  Ary hitako fa rehefa izany no atambatra,
51  Tsy misy hoatra
52  Ny mihevitra Toerana Hafa hahasambatra,
53  Dia any Ankoatra.

54  Ary hitako fa rahefa tsy maintsy hihelina
55  - Tsy hisy fandavana -
56  Tsy maintsy ho vovoka isika olombelona
57  Dia tsara hozahavana
58  Izay mba mahamamy kokoa ka ho telina
59  Ny fiainana, rahavana,
60  Tsotra io:
61  rantsano izay manelingelina
62  Ny fifankatiavana.

Anagrams  63 

Updated on 2025/01/21