|
|
|
|

Entry1  Haody, ry Ambohimanga!
Elementary words  2  haody, ry, Ambohimanga
Part of speech  3  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  4  Literature: poems
Author  5  Rajaofera Fredy
Full text 
6  Haody, haody?
7  Haody mena masoandro, ry aviavy an-tampon' Imanga,
8  Tsinjovina maitso manga,
9  tomarotaroka mavamavana,
10  mampihaodihaody ny manin-kavana!

11  Haody, haody?
12  Haody manerikerika, ray voara mifampiondanondana,
13  natrotra-taona ka mila hirodana,
14  mamolivoly raha toa tazanina
15  mampihazakazaka mahamanina!

16  Haody, haody?
17  Haody manoran-kely, ray amontana miezinezina,
18  mampievinevina tsy akaikezina,
19  manorotoro ny manirery,
20  ka mampirongatra serisery!

21  Haody, haody?
22  Haody malomaloka, ray papango mifampisodika?

23  Haody mampanjombonjombona, ray goaika mifampitodika?
24  Itony izahay anie raha mihaody,
25  dia mihaody tsy kaodikaody;
26  tsy vahiny tsy nampoizina anie, ry lahy,
27  na mpandalo tsy nahinahy,
28  fa nasosan-drivotra avy any Ankaratra
29  ka niantoraka nianavaratra;
30  nokaikerin'ny sento fihitra
31  ka nanamorona ity kirihitra;
32  nasafotr'eritra tsy miloaka
33  ka entin'embona misafoaka,
34  dia indreto tonga
35  nihoatra bonga,
36  hilalao masoandro eto Ambatomiantendro
37  hanaraina ny fendrofendro !

38  Koa haody, haody?
39  Haody tolatolaka, ry vavahady mitafy vato,
40  manai-torimason'ny vetso kanto,
41  aza vitaina harangarana
42  fa vohay varavarana.
43  Indreto izahay
44  izay miolomay ,
45  hioty voafotsy eny an-dobolobo,
46  haka aviavy miroborobo,
47  hiloka tosika am-batolampy ,
48  fa raha tsy mirebika sao tsy ampy;
49  manonofy andro mifono
50  ka mivantotr'omby minono,
51  ditsohin-kariva mandrivodrivotra
52  ka tonga zary mihovotrovotra
53  mohamohaka manimanina,
54  safotsafotra fanimpanina!

Updated on 2024/12/10