|
|
|
|

Entry1  Hiran-jaza kamboty
Part of speech  2  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  3  Literature: poems
Author  4  Andrianaly Alfred
Full text 
5  Misy maro izao mikalo,
6  Tsy mba manam-pahavalo;
7  'Zaho kosa toa mimalo,
8  Toa latsain'izay mandalo.

9  Ao ny revo mikorisa
10  Eny an-dalam-paradisa,
11  'Zaho kosa mitanisa
12  Fahorian-tsy hita isa!

13  Ao ny voky safosafo,
14  Hafalia-mitafotafo;
15  'Zaho kosa misakafo
16  Sady mandry tsy amin'afo!

17  Ao ny mbola velon-dreny,
18  Manan-dray hiteniteny ;
19  'Zaho kosa… voa dia eny:
20  Singan'olona manjeny .

21  'Zay tazaniko rehetra
22  Samy lavitry ny tsetra;
23  'Zaho kosa manjoretra
24  Sy mijaly an-tery setra !
25  'Ndreo ny vorona misiaka,
26  Miramirana sariaka;
27  'Zaho kosa toa mifiaka
28  Ranomaso be mandriaka!

29  'Rony kintana misosa,
30  Tsy mba manana mpifosa;
31  'Zaho kosa! 'zaho kosa
32  Mitanondrika fa osa!

33  Volana manatri-tava,
34  Taratry ny fo mazava;
35  'Zaho kosa maizin-dava,
36  Tojo ny oran-tsy misava!

37  Ô! ry lanitra ô, avoty
38  Fa mahantra ity kamboty!
39  Zazabodo diso angoty ,
40  Vao nitsiry dia voaoty!

41  Satriko aza anio ihany
42  Dia hilaozana ny tany,
43  Ka hisidina hankany
44  'Lay Fanahy nosimbany.

Updated on 2024/12/10