Full text |
5 Ianareo rorampison' Angavokely,
6 Izahay erikerik'Ankaratra,
7 Ka na tsy tondraka aza,
8 Mahavonto tany!
9 Ianareo mafikely lava taho,
10 Izahay vonin'avoko malefolefo;
11 Raha jejo loha ny any,
12 Izahay kely ihany fa mamerovero.
13 Tsy mitambitamby amin'ny tsimperifery izahay
14 Fa manana sakay tsara fefy;
15 Ary tsy mitomany volo oly
16 Fa manana mpandrandrana mahay.
17 Koa aza fady, Raondriana,
18 Fa raha safomorona ny fampitambazana,
19 Ny anay efa nitobaka ela;
20 Raha ritra ny rano tan-dobo,
21 Ny anay efa tsisy tavela.
22 Ny farihy tankina, hono,
23 Ny fotoka no manjaka;
24 Fa ny loharano an-dohasaha kosa,
25 Raha lasa ny iray, roa no avy mantsaka!
26 Koa kopa-damba malefaka no ataoko,
27 Fa raha hitsikitsika mahay mandihy ianareo,
28 Izahay voromanga mahay mihira,
29 Ka zato sy arivo manao " midira "
30 Na ny eto akaiky na an-dakira!
31 .....................
32 Ianareo haba ihaingoan'ny jefy,
33 Izahay volamena tsy mety lefy!
34 .....................
35 Koa samia masina an-taniny,
36 Fa ianareo vatosoa manja fanjelatra,
37 Izahay diamondra soa hazavana.
38 Koa veloma mahalankalana, Rasena,
39 Fa raha fintana tsy azo idirana ianareo,
40 Izahay tandroho tsara Jadina tsy azo resena !
|
|