|
|
|
|

Entry (1/17)1  Josefa
Part of speech  2  name (biblical) [Full list]
Explanations in Malagasy  3  Josefa Patriarka - Zanak' i Jakoba tamin-dRahely izy, ary teraka tao Harana tokony ho tamin'ny 1873 B. C. (Gen. 30.24). Tsy dia ela loatra taorian'ny nahaterahany no nialan' i Jakoba tao Harana, hiverina ho any Kanana, fa raha tonga tao akaikin' i Efrata izy, dia maty Rahely (Gen. 35.18, 19). Tokony ho zazalahy tsara fanahy Josefa ka nanoa tsara ny rainy ; ary noho izany, sady satria zana-dRahely, ilay vady tiany indrindra izy, dia fatratra ny fitiavan'i Jakoba azy. Fantatry ny rahalahiny izany, ka izany no nankahalany an' i Josefa. Angamba koa fanaon' i Josefa ny nilaza tamin' i Jakoba ny zava-dratsy nataon' ny rahalahiny, «fa Josefa nitati-bolana tamin-drainy » (Gen. 37. 2). Kanefa izay nahalotika ny fon'izy ireo indrindra dia ny nofin' i Josefa, izay nolazainy koa tamin' ny rahalahiny (Gen. 37. 5-11). Mora hitan' i Jakoba sy ny zanany rehetra ny hevitr' izany nofy izany, dia ny hanompoan' izy rehetra an' i Josefa, ka na dia Jakoba aza dia toa sosotra kely tamin' i Josefa ihany, vao mainka fa ny rahalahiny, izay efa nankahala azy rahateo. Nohajain' ny olona indrindra ny nofy tamin' izany andro izany, ary saiky mandrakariva dia ninoana ho fanambaràna zavatra ho avy izany. Noheverin' i Jakoba sy ny zanany fa tsy ho tanteraka izany nofy izany ; kanefa dia tanteraka tokoa izany tamin' ny fotoana mety. ... [1.38]
Explanations in English  4  Joseph, the elder of the two sons of Jacob by Rachel [1.114]
Explanations in French  5  Joseph, fils de Rachel, femme de Jacob [2.996]
Vocabulary  6  Holy Scriptures
Biblical quotes  7  Chapters and verses mentioning Josefa

Entry (2/17)8  Josefa
Part of speech  9  name (biblical) [Full list]
Explanations in Malagasy  10  [1.38]
Explanations in English  11  Joseph, father of Igal [1.114]
Explanations in French  12  Joseph, père d'Yigéal [2.996]
Vocabulary  13  Holy Scriptures
Biblical quotes  14  Chapters and verses mentioning Josefa

Entry (3/17)15  Josefa
Part of speech  16  name (biblical) [Full list]
Explanations in Malagasy  17  [1.38]
Explanations in English  18  Joseph, a lay Israelite of the family of Bani [1.114]
Explanations in French  19  Yoseph, des fils de Bani [2.996]
Vocabulary  20  Holy Scriptures
Biblical quotes  21  Chapters and verses mentioning Josefa

Entry (4/17)22  Josefa
Part of speech  23  name (biblical) [Full list]
Explanations in Malagasy  24  [1.38]
Explanations in English  25  representative of the priestly family of Shebaniah [1.114]
Explanations in French  26  Yoseph de Shebanya [2.996]
Vocabulary  27  Holy Scriptures
Biblical quotes  28  Chapters and verses mentioning Josefa

Entry (5/17)29  Josefa
Part of speech  30  name (biblical) [Full list]
Explanations in Malagasy  31  [1.38]
Explanations in English  32  Joseph, son of'Asaph [1.114]
Explanations in French  33  Yoseph, fils d'Asaph [2.996]
Vocabulary  34  Holy Scriptures
Biblical quotes  35  Chapters and verses mentioning Josefa

Entry (6/17)36  Josefa
Part of speech  37  name (biblical) [Full list]
Explanations in Malagasy  38  [1.38]
Explanations in English  39  Joseph [1.114]
Explanations in French  40  Joseph, fils de Zacharie [2.996]
Vocabulary  41  Holy Scriptures
Biblical quotes  42  Chapters and verses mentioning Josefa

Entry (7/17)43  Josefa
Part of speech  44  name (biblical) [Full list]
Explanations in Malagasy  45  [1.38]
Explanations in English  46  a Jewish officer defeated by Gorgias about 164 BC. [1.114]
Explanations in French  47  Joseph, fils de Zacharie [2.996]
Vocabulary  48  Holy Scriptures
Biblical quotes  49  Chapters and verses mentioning Josefa

Entry (8/17)50  Josefa
Part of speech  51  name (biblical) [Full list]
Explanations in Malagasy  52  [1.38]
Explanations in English  53  Joseph, named among the brethen of Judas Maccabeus apparently in place of John [1.114]
Explanations in French  54  Joseph, frère de Judas Maccabée [2.996]
Vocabulary  55  Holy Scriptures
Biblical quotes  56  Chapters and verses mentioning Josefa

Entry (9/17)57  Josefa
Part of speech  58  name (biblical) [Full list]
Explanations in Malagasy  59  [1.38]
Explanations in English  60  Joseph, an ancestor of Judith [1.114]
Explanations in French  61  Joseph, arrière-grand-père de Judith [2.996]
Vocabulary  62  Holy Scriptures
Biblical quotes  63  Chapters and verses mentioning Josefa

Entry (10/17)64  Josefa
Part of speech  65  name (biblical) [Full list]
Explanations in Malagasy  66  [1.38]
Explanations in English  67  Joseph [1.114]
Explanations in French  68  Joseph, ancêtre de Jésus, fils de Jonan [2.996]
Vocabulary  69  Holy Scriptures
Biblical quotes  70  Chapters and verses mentioning Josefa

Entry (11/17)71  Josefa
Part of speech  72  name (biblical) [Full list]
Explanations in Malagasy  73  [1.38]
Explanations in English  74  Joseph [1.114]
Explanations in French  75  Joseph, ancêtre de Jésus, fils de Judah [2.996]
Vocabulary  76  Holy Scriptures

Entry (12/17)77  Josefa
Part of speech  78  name (biblical) [Full list]
Explanations in Malagasy  79  [1.38]
Explanations in English  80  Joseph [1.114]
Explanations in French  81  Joseph, ancêtre de Jésus, fils de Mattathias [2.996]
Vocabulary  82  Holy Scriptures
Biblical quotes  83  Chapters and verses mentioning Josefa

Entry (13/17)84  Josefa
Part of speech  85  name (biblical) [Full list]
Explanations in Malagasy  86  zanak' i Oziasa, rain' i Merarì [2.996]
Explanations in English  87  Joseph, son of Oziel, father of Merari [2.996]
Explanations in French  88  Joseph, fils d'Oziel, père de Merari [2.996]
Vocabulary  89  Holy Scriptures
Biblical quotes  90  Chapters and verses mentioning Josefa

Entry (14/17)91  Josefa
Part of speech  92  name (biblical) [Full list]
Explanations in Malagasy  93  anankiray tamin' ny rahalahin' ny Tompo (Mat. 13.55) [1.38]
Explanations in English  94  Joseph [1.114]
Explanations in French  95  Joseph, un des frères de Jésus [2.996]
Vocabulary  96  Holy Scriptures
Biblical quotes  97  Chapters and verses mentioning Josefa

Entry (15/17)98  Josefa
Part of speech  99  name (biblical) [Full list]
Explanations in Malagasy  100  Josefa, vadin' i Maria, ary noheverina ho rain' i Jesosy. Ny Jiosy rehetra dia samy nitahiry ny tetiarana momba ny razany, ka faly tokoa izy raha azony atao ny manaporofo fa taranaky ny mpanjaka na ny mpisorona izy. Josefa dia nahazo nirehareha fa taranak'i Davida izy (Mat. 1. 20). Betlehema tanànan' i Davida no tanindrazany, saingy nifindra monina tany Nazareta izy (Lio. 2. 4) ; ary ny raharaha nahazoany fivelomana dia ny rafitra (Mat. 13. 55). Nalainy ho fofombadiny i Maria, izay nonina tany Nazareta koa. Josefa angamba dia zokin' i Maria lavitra tamin' ny taona niainany. Kely foana no hita ao amin' ny Filazantsara ny amin' i Josefa ; nefa izay voalaza dia mampiharihary ny fahatsaran-toetrany. (a) Tena Israelita marina tokoa izy, ka nanaja tsara ny fomba amam-panaon' ny Jiosy (Lio. 2. 21-24), mbamin'ny fitandremana ny Andro Firavoravoana (Lio. 2. 41, 42). (b) Lehilahy nalemy fanahy sy antra olona izy. Rehefa hitany ny toetran' ny fofombadiny dia velona eritreritra mafy izy, ka nanapa-kevitra hametraka azy ; nefa nokasainy hatao mangina izany mba tsy ho afa-baraka eo imason' ny olona ilay fofombadiny. Rehefa nilazana ny marina anefa izy dia tsara mihitsy ny fitòndrany an' i Maria. Koa nony niakatra ho any Betlehema izy mba hisoratra, araka ny didin' ny mpanjaka, dia tsy nilaozany irery tao Nazareta i Maria, fa nentiny niaraka taminy kosa mba tsy ho tanisain' ny manta vava amin' ny endrikendrika manorisory (Lio. 2. 1-7). (d) Izany toetra mahate-hidera izany dia nasehony koa tamin' ny fitaizana ny Zaza, izay napetrak' Andriamanitra ho adidiny. Noraisiny tamin' ny fitiavana tanteraka ity Zaza ity ka mendrika tokoa ny iantsoana azy ho « rainy » (Lio. 2. 33, 41, 48 ; Mat. 13. 55 ; Jao. 1. 45 ; 6. 42). Koanefa dia tsy miseho intsony ao amin' ny Filazantsara ny tantaran' i Josefa taorian' ny niverenany avy tany Jerosalema, rehefa tonga taona ho « Zanaky ny Lalàna » Jesosy (Lio. 2.41-51). Ary satria ny anaran' i Maria ihany no hita ao amin' ny tantara momba ny nanaovan' i Jesosy ny raharahany, dia azo heverina fa maty teo anelanelan' ireo fotoana ireo Josefa. [1.38]
Explanations in English  101  Joseph, son of Eli, and reputed father of Jesus Christ [1.114]
Explanations in French  102  Joseph, l'époux de Marie [2.996]
Vocabulary  103  Holy Scriptures
Biblical quotes  104  Chapters and verses mentioning Josefa

Entry (16/17)105  Josefa
Part of speech  106  name (biblical) [Full list]
Explanations in Malagasy  107  Josefa avy any Arimatia. "Lehilahy manankarena" (Mat. 27. 57), sady tsara fanahy, ary isan' izay nandevina an' i Jesosy izy. Marka dia milaza azy ho "lehilahy manan-kaja, izay isan' ny Synedriona, sady niandry ny fanjakan' Andriamanitra koa " (Mar. 15.43) ; ary Lioka kosa milaza azy ho "lehilahy tsara fanahy sady marina" (Lio. 23.50). Tsy nankasitraka ny hevitry ny namany tao amin' ny fivorian' ny Synedriona izy ny amin' ny hamonoana an' i Jesosy; kanefa kosa toa tsy dia niseho ho nisakana izany loatra ; angamba aza tsy nitranga tamin' ny fivoriana niheverana izany izy. Nolazain' i Jaona mazava fa na dia mpianatr' i Jesosy eza izy, " dia tamin' ny mangingina ihany noho ny fahatahorany ny Jiosy " (Jao. 19.38). Kanefa rehefa maty ny Tompo dia tsy nahalala tahotra intsony izy. Marka milaza fa " saby niditra tao amin' i Pilato izy, ka nangataka ny fatin' i Jesosy (Mar. 15.43). Araka ny fomba mandrakariva, ny havana aman-tsakaizan' ny olona novonoina tamin' ny hazofijaliana dia nividy ny fatiny mba ho azo alevina, satria mazàna no ariana hohanin' ny vorona sy ny bibidia ireny faty ireny ; ary Josefa dia tsy maintsy nanaiky hanome an' i Pilato izay vola nilainy tamin' izany, ka dia nomena azy ny faty (Mar. 15.45). Josefa dia nanana tanimboly teo akaikin' i Golgota, izay efa nahavitany fasana nokasainy hilevenan'ny tenany : tao no nandevenan' izy ty Nikodemosy ny fatin' i Jesosy, rehefa avy nohosorany zava-manitra sy nofonosiny "hariry madinika madio " (Mat. 27.57-61; Mar. 15. 42-47 ; Lio.23. 50-56 ; Jao. 19. 38-42). [1.38]
Explanations in English  108  Joseph of Arimathea, a rich and pious Israelite who had the privilège of performing the last offices of duty and affection to the body of our Lord [1.114]
Explanations in French  109  Joseph d'Arimathie [2.996]
Vocabulary  110  Holy Scriptures
Biblical quotes  111  Chapters and verses mentioning Josefa

Entry (17/17)112  Josefa
Part of speech  113  name (biblical) [Full list]
Explanations in Malagasy  114  Josefa Barsabasy. - Natao hoe Josto koa izy; ary anankiray tamin' ireo roa lahy nanaovan'ny Apostoly filokana hahafantarany izay tokony ho dimbin' i Jodasy Iskariota (Asa 1.23-25). Izany no ahafantarantsika fa mpianatr' i Jesosy izy hatramin' ny nanaovan' i Jaona batisa Azy ka hatramin' ny niakarany ho any an-danitra, (and. 21, 22). Misy milaza fa isan'ny mpianatra fito-polo lahy izy ; ary misy koa mihevitra fa izy sy Jodasy Barsabasy dia mpirahalahy. [1.38]
Explanations in English  115  Joseph called Barsabas, and surnamed Justus [1.114]
Explanations in French  116  Joseph dit Barsabbas [2.996]
Vocabulary  117  Holy Scriptures
Biblical quotes  118  Chapters and verses mentioning Josefa

Updated on 2024/11/10