|
|
|
|

Entry1  mahafaty
Root  2  faty
Part of speech  3  active verb or adjective
Explanations in Malagasy  4  [1.1] Afaka hamono: Tsy mahafaty akoho akory, hono, Ramatoa io
Mahatonga ho faty: Tsy hahafaty azy akory io aretina io ~ Poizina mahafaty
Maharesy: Ny mpilalaonay Ampamarinana no nahafaty tamin' ny baolina
Mahazo: Tsy tsara ny tsena androany fa tsy nahafaty roanjato akory aho
Mamely mafy, tsy ahazoana aina, mahatrotraka: Mahafaty izany hatsiaka izany
Mamono, manala, mikosoka, mampanadino: Ny andro sy ny volana nifandimby no nahafaty ny soratra teto ~ Tsy misy hahafaty ny fahatsiarovako an' i Neny
Explanations in English  5  [1.2, 1.7] To kill
6  [1.2] To put out a lamp
Explanations in French  7  [1.3#157, 1.8] Tuer
8  [1.3#157] Pouvoir tuer, donner la mort, mortel
9  [1.3#157] Gagner au jeu, au commerce, gagner au pari
10  [1.3#157] Éteindre, effacer, enlever la force, abîmer, faire tomber en désuétude
11  [1.3#157] Éreinter, assommer, empester, étouffer
Examples  12  Ny mamono olona mahafaty olona. [1.123#]
13  Ny sazin'ny heloka tsy mahafaty. [2.508#]
14  Nareo, hoy i, tsy raha mahafaty ahy! [2.606#]
15  mahafaty io poizina io (Ce poison est mortel) [1.3#157]
16  mahafaty ny hafanana (La chaleur est assommante) [1.3#157]
17  nahafaty olona iray izy (Il a tué une personne) [1.3#157]
18  Heloka mahatapa-doha izany, heloka mahafaty izany! [2.528#]
19  mahafaty ity fiakarana ity (Cette montée éreinte) [1.3#157]
20  nahafaty ny vary ny rano (L’eau a abîmé le riz) [1.3#157]
21  mahafaty ny fofon' io fatim-biby (Cette charogne empeste) [1.3#157]
22  mahafaty izany setroka izany (Cette fumée est étouffante) [1.3#157]
23  nahafaty ny jiro ny rivotra (Le vent a éteint la chandelle) [1.3#157]
24  mahafaty tena ho an’ ny zanany izy (Il se tue pour ses enfants) [1.3#157]
25  Tsy mahafaty ny mamba ny bala (Les balles ne peuvent tuer un caïman) [1.3#157]
26  Tsy hahafaty azy io aretina io (Cette maladie ne lui donnera pas la mort) [1.3#157]
27  Ny ranonorana no nahafaty io hosodoko io (La pluie a abîmé cette peinture) [1.3#157]
28  Inona no nahafaty io soratra io? (Qu’est-ce qui a effacé cette écriture?) [1.3#157]
29  nahafaty ariary telo aho tany an-tsena (J’ai gagné trois piastres au marché) [1.3#157]
30  Iza no nahafaty taminareo roa lahy? (Quel est celui de vous deux qui a gagné au jeu?) [1.3#157]
31  Inona no nahafaty ny herin' ity toaka ity? (Qu’est-ce qui a diminué la force de ce rhum?) [1.3#157]
Morphology 
32  Present :
33  Past :
34  Future :
35  Imperative :
Compound words 

Anagrams  40 

Updated on 2025/01/21