|
|
|
|

Entry1  mangadihady
Root  2  hadihady
Part of speech  3  adjective
Explanations in Malagasy  4  [1.1] Enti-milaza toerana foana tsy misy na inona na inona fa osa daholo izay zavatra tao, toy ny tany tsy misy ahitra na voly izany, na toy ny loha nokakasana: Nataony nangadihady ny lohany ka saika tsy fantatro izy
Explanations in English  5  [1.2] bare, barren (country); bald, as the head.
Explanations in French  6  [1.3#202] nettoyé, complètement vide, nu, découvert, pelé: Mangadihady ny trano (La maison est complètement vide) ~ Mangadihady ny lohany (Sa tête est pelée, chauve, rasée) ~ Tany mangadihady (Pays nu, découvert) ~ Tondiombohitra mangadihady (Montagne pelée)
Examples  7  Tanety sola sy mangadihady sisa no navelany dia nifindra lasy indray izy. [2.445#]
8  dia ilay tanàna kely mangadihady mitorevaka eo afovoan' ny torapasika mahamay. [2.499#]
9  Maro ireo tehezan-tendrombohitra no mangadihady, tsy ahitana hazo maniry intsony. [2.117#]
Compound words 

Updated on 2024/12/11