|
|
|
|

Entry1  Midona moramora
Part of speech  2  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  3  Literature: poems
Author  4  Ny Avana
Full text 
5  Midona moramora
6  Ny any Ankaratra any;
7  Manembona isan'ora
8  Izay mandre izany.

9  Ny zavona mamono
10  Ilay Ambohimiangara,
11  Fa manina azy, hono,
12  Ny tiana, hany zara.

13  Manombana ho avy
14  Ny any Ambohimanoa;
15  Ny ranomasoko avy
16  No indray mirotsa-droa.

17  Mijojo vao maraina
18  Ilay Angavokely;
19  Ny alahelon-tsaina
20  Tsy hita velively.

21  Maneri-takariva
22  Ny eny Andringitra eny;
23  Ka dia " Mahatsiahiva "
24  No voalohan-teny.
25  Tomanitany lava
26  Ny fody eny Imanga.
27  Ny sento tsy misava.
28  Ny tiana tsy mitranga.

29  Tataovan-drahomanga
30  Iarivo indraindray;
31  Ireny miampanga
32  Fa manina izahay.

33  Veloma indrindra àry,
34  Veloma tsy doria;
35  Ka enga tsy harary,
36  Ry tiana sady tia.

37  Veloma mahatsiahy
38  No sisa holazaina.
39  Mandreraka fanahy
40  Ny ranomason-tsaina.

41  Tsahivo anefa izao
42  Ny fara tononkira:
43  Ny sora-tananao
44  No hany " sovenira " .

Updated on 2024/12/10