Explanations in Malagasy | Jean-Louis Ndemahasoa dia teraka tamin' ny 8 oktobra 1937, tao Tsarahalana Avaratra, Fierenana - Moranga.
Nianatra tao Fierenana, kanjo tojo an' iny Tabataba, taona 1947 iny, dia nankany an' ala:
niery tany mandritra ny roa taona ngarangidina;
ka tamin' ny 1949 indray vao nankany Anivorano-Est: nandrato fianarana tao amin-draibeny.
Avy tao izy no niditra ny Ecole Régionale, Toamasina.
Nivoaka ny Collège Normal, dia nampianatra amin' ny Sekolim-Pirenena mandraka ankehitriny.
Nandeha tany Frantsa, nianatra tao Chartres tamin' ny taona 1957 izany.
Nanomboka nanoratra tamin' ny taona 1954 izy.
Ny Gazety Vaovao Frantsay-Malagasy (1955) no efa nivoahan' ny sorany.
Toraka izany koa ny Fampitaha, Hehy,
Revue de Madagascar, Dingana,
Bulletin de Madagascar.
Efatra anaka ankehitriny.
Izy no mitarika ny mpiangaly Vako-dRazana Ny Valoalo. [2.245]
|