5 Eritreritra, nofy mangina,
6 Hovitrovitra saika tsy re,
7 Kopak'elatra, ho aiza? - Hiampita. -
8 Any an'inona? - Tany tsy hita.
9 Nefa feno ny zavatra irina,
10 Feno azy ary be dia be...
11 Kopak'elatra ho aiza? - Hiampita...
12 Hovitrovita saika tsy re...
13 Hovitrovitra... Ny antony? -Asa!
14 Fa malemy ny nofo ka jamba!
15 Toa fanahy no sisa mameno,
16 Izy ihany no sisa mba heno
17 Mampangina ny otan'ny lasa!
18 Ny vovoka,hiverina angamba...
19 Toa fanahy no sisa mameno,
20 Fa malemy ny nofo, ka jamba!
21 Dia fangorakorahana sisa...
22 - O! mbola olombelona ihany! -
23 Vao tanora, ka ho lasa sahady?
24 Zanak'ondry, ka halavon'ny tady?
25 - Eritreritro tonga madisa,
26 Nifamatotra tsy hita lany...
27 Vao tanora, ka ho lasa sahady?
28 - O! mbola olombelona ihany!
|
29 Injao mihodina mora dia mora
30 Ny eritreritro lasa mandeha.
31 O ry fahatanorako ho fohy,
32 Fa efa miditra ilay lava-johy
33 Tsy ivelaran'ny tsiky tanora,
34 Na idiran'izay rehareha!
35 O! ry fahatanorako ho fohy,
36 Ny eritreritro lasa mandeha!
37 Toa voron-kiantefa any an-koatra
38 Izany fiaingany anatiko izany
39 Efa feno dia feno fanahy,
40 Vonombonona, tsy mba manahy...
41 Tebiteby, kanefa tsy loatra,
42 Tebiteby aminao, ô ry tany!
43 Efa feno dia feno fanahy
44 Izany fiaingany anatiko izany!
45 Tebiteby... Mangina! Mangina!
46 Mangina, ô ry nofoko ho rava,
47 Mangina, ô ry nofoko omaly!
48 Fitsaharana anie hampifaly;
49 Raha ho lasa, veloma, masìna,
50 Any an-koatra, ilay Fiainan-ko lava!
51 Mangina, ô ry nofoko omaly!
52 Mangina, ô ry nofoko ho rava!
|