|
|
|
|

Entry1  Ny alahelon' ny olombelona
Part of speech  2  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  3  Literature: poems
Author  4  Rabearivelo Jean-Joseph
Full text 
5  Injay manako moramora,
6  toa ra mipololotra,
7  feo kely feno akora,
8  sady latsa mafy loatra,

9  Mitampody indray ny lasa,
10  ka mamoha ny efa maty,
11  zava-bery tsy voakasa,
12  sady vata hoboka aty.

13  Ao ny sasany tomany,
14  ao koa ny ketra-po!
15  Hisentoako eto izany,
16  Holazaiko ny manjo.

17  Fo kely iray maratra,
18  notsaingohim-boron-tiana,
19  hafaliana mahazatra,
20  izao re itomaniana!

21  Voronkely nantenaina
22  hiaraka ory, hiara-paly,
23  kanjo dia naningotra aina,
24  kanjo kosa nampijaly.

25  Safosafo tonga hoho,
26  tonga ratra sady fery;
27  hasambarana miamboho,
28  mba tadiaviko, ka miery!

29  Vata vola tsisy vody,
30  tsangambato very laza,
31  sambo vaky tsy ho tody:
32  ray sy reny maty zaza!

33  Voninkazo nokoloina,
34  nefa kosa ka nalazo!
35  Rehereha namboloina,
36  vao tazana dia tsy azo!
37  Ho lo ny ra sy ny nofo,
38  'zay nafindra tamin'iny!
39  Ny hafaliany mantsy hiofo
40  ho tadidy ny fahiny!

41  Voronkely rava akany
42  Zanak'ondry dia manjeny,
43  singan'aina ambony tany:
44  Ikala maty ray sy reny.

45  Bodo zatra tambitamby,
46  sy tamana angotongoty,
47  Vao maraina dia somamby
48  izany andron'ny kamboty!

49  Andry koa re ka lavo,
50  hantahanta aiza intsony!
51  Ny fo mangorak ilay Avo
52  no sisa hampitony!...

53  Aiza kosa re, ry tany,
54  izay mba mamy entinao?
55  Sa toloko sy tomany
56  no hitana lava izao?

57  O! afero sy mangidy,
58  izany ihany no fisotro,
59  simbanao ny sarobidy,
60  nitokiana sy nitrotro!

61  Nantenain-ko Paradisa,
62  ny fotoananao tontolo,
63  kanjo tany hay madisa,
64  feno angatra sy lolo!

Updated on 2024/12/10