|
|
|
|

Entry1  Ny atsy sy ary
Part of speech  2  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  3  Literature: poems
Author  4  Rakotomalala Henri
Full text 
5  Ny atsy, afom-pantàka mipoapoaka;
6  Ny ary, afom-bero mirefodrefotra;
7  Fa ny aty kosa
8  afon'ampombo
9  malemy vaika,
10  nefa tsy matahotra na miraika.
11  Tsofina mora
12  vao mihamiredaka,
13  kanefa mangina
14  tsy dedadedaka.
15  Fidodododon'ny iray tanàna
16  fa afo malefaka manafana!

17  Ny atsy, vara-mipoaka
18  mandatsaka aina;
19  Ny ary, kotrokotroka
20  mahamonaina;
21  Ny aty don-tokana
22  mahamanina
23  k'asakasakareo
24  te-ho savolaina,
25  ka ny mandrotsirotsy
26  no hosoketaina.

27  Ny atsy, rivo-doza
28  mandrava efa;
29  ny ary, tadio andosiran'olona;
30  ny aty amin'izany
31  tsarovy anefa
32  tsy mihintsana akory
33  fa vao vololona!
34  ................
35  Ny atsy, ranomasina midadasika,
36  haingon'ny morony tora-pasika;
37  ny ary, farihy be manganohano,
38  alokalofan'ireo tatamo;
39  fa ny aty kosa, indrisy!
40  ka dobo kely,
41  tsisy hatsarana velively
42  fa mora ritra sy mety tankina,
43  nefa manana ny azy
44  tsy mila miankina!

45  Ny atsy, hono,
46  adrisa sy irony ambolo;
47  ny ary, soherina sy ireo lolo.
48  Ny aty kosa,
49  tsy ireo mahery,
50  fa kijeja malemy,
51  mieriery,
52  nefa mandrendrika
53  irony sambo
54  satria miray hina
55  tsy matin-kambo.

56  Ny atsy, jiro herimbaratra
57  lasan-davitra;
58  ny ary, jiro solika no mitaratra
59  k'izay rehetra jerena
60  dia toa miraratra.
61  Fa ny aty kosa,
62  lazaiko mora,
63  fa tongo-takotra sy jabora:
64  io no mba jiro-fanala-haizina,
65  ka asanareo
66  raha dia hanakora.

Updated on 2024/12/10