|
|
|
|

Entry1  Ny Varavarankelinao
Part of speech  2  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  3  Literature: poems
Author  4  Razakandraina Jean Verdi Salomon
Full text 
5  Mandalo eo matetika aho, dia manjary fahazarako
6  Ny mahita anao mitazana eo am-baravarankely
7  Fotoana fohy fifaliako, fotoana fohy fahasambarako
8  Eo ny endrikao mitsiky, mitsikitsiky toa anjely.
9  Mandalo eo matetika aho dia mitraka hatrany hatrany,
10  Mino fa hahita anao, dia mahita anao tokoa !
11  Tsy hita intsony ny hafaliako sy hasambarako amin’izany
12  Fa manenika fanahy, mahatototra ny fo…
13  Andray izay fahatairako, nandalo teo aho izao…
14  Nikatona àry fa nahoana, ny varavarankelinao ?
15  Nitanondrika ny fo, ny fanahy nangenahena…
16  Nanohy nandalo ihany aho, tsy nivoha hatramin’izao,
17  Angamba tsy hivoha intsony, ny varavarankelinao.
18  Mitanondrika ny fo, manomboka tsy hanantena.

Updated on 2024/11/25