|
|
|
|

Entry (1/2)1  rapeto
Part of speech  2  noun
Explanations in Malagasy  3  olona lava be [1.1]
Explanations in English  4  long, tall. [1.2]
5  a very tall person [1.7]
Explanations in French  6  personne très grande [1.8]

Entry (2/2)7  Rapeto
Part of speech  8  proverbial name [Full list]
Explanations in Malagasy  9  Anaran' olo-malaza tamin' ny angano noho ny halavany [1.1]
10  Rapeto, hono, dia Vazimba talohan' izany Andriamanelo, mpanjaka tatý fony fahagola. Teo Ambohidrapeto andrefan' Antananarivo, no vohitra nitoerany. Lavabe nahatakatra ny lanitra izy. Tany anaty ala atsinanana no nandrahoiny ny variny, nefa tany Ambohidrapeto no nihinanany azy. Tany Ambohitrarahaba, avaratr' Antananarivo, no filalaovany, ka nataony indray mandingana ihany hatreny Ambohidrapeto ka hatreny Ambohitrarahaba. Izy no nanao ny tsentsin-drano vato vaventibe ao am-bodin' Itasy, ka namboariny ho farihy lehibe, hisotroan' ny ombin-dRasoalao vadiny. Ilay vato loaka tahaka ny dian-tongotr' olona ao an-dalamben' Ambohitrarahaba dia nohitsahin' ny faladiany sy niankinan' ny ranjony, hono, hampisehoany ny heriny. Ary ny loadoaka eny amin' ny vatolampy maro dia lazaina hoe diany avokoa. Indray mandeha izay dia nanampatra ny heriny loatra izy ka naka ny volana holalaovin' ny zanany ; kanjo nasian' ny volana diamanga izy ka dangy nitsitra terý. Lazain' ny sasany kosa anefa fa nankany atsinanan' Amorokay izy, ka tany no nahafatesany. [2.69]
Explanations in English  11  a legendary giant long, tall [1.2]
12  a legendary giant [1.7]
Explanations in French  13  géant légendaire [1.8]
Examples  14  Ary AmbohidRapeto natao Am-bohi-dRapeto: eo ny tamboho ny Rapeto rahateo [2.48]
Vocabulary  15  Religions, Beliefs
Compound words 
Toponyms 
Illustrations 
18  19 

Anagrams  20  petrao, Rapeto, rapeto, tapero

Updated on 2020/07/31