Full text |
5 Teny
6 Nianarako nibada
7 Nianarako ny " Dada "
8 Nahaizako ny " Neny " .
9 Teny
10 Namorona ny hevitro
11 Sy ny eritreritro.
12 Eny,
13 Teny
14 Nilazako
15 Ny feon'ny fon'ny hazazako
16 Te-hahay
17 ' Lay teninay.
18 Tamin'izany, hasambarako
19 Ny tenin-drazako.
20 Dia nitombo teny ny fahaizako,
21 Haiko ny niteny toy ireo mpitaizako,
22 Nahazatra, tena vantana amiko
23 'Lay teny gasy, tena mamiko.
24 Nitombo ny fisainako
25 Fa namboarin'ny fiainako;
26 Dia tazako
27 Ny fahalehibeazako...
28 Dia ny fahombiazako.
29 Ka' lay tenin-drazako
30 Efa fahazarako
31 Tato am-poko mitambolona
32 Natakaloko ny an'olona,
33 Navelako,
34 Fa nivadika ny lelako.
35 Tsy afeniko
36 Fa'lay tenin-drazako,'lay teniko,
37 Asa lahy!
38 Tonga nahamenatra ahy.
39 Tsy antonina ny lazako
40 Ny tenin-drazako
41 Ka nafoiko,
42 Fa ny tsy ahy no hamboiko.
43 Dia hoy aho:
44 " Teny maty,
45 " Tsy mahalaza ny ao anaty,
46 " Teny ambany
47 " 'Zany teny malagasy izany " .
48 Nefa ahy, tena ahi...ko
49 Toy ny nofo sy fanahiko.
50 …...
51 Moa rehefa ambony, ka azo izay nirina,
52 Dia ny an'ny tena no tsy tiana sy ariana?
53 Tsia dia tsia,
54 Sanatria!
55 Ry Tenin-drazako ry Teniko,
56 Neniko e ka neniko
57 Ny nanambany anao.
58 Ary izao,
59 Hoy ny vavaka miloatra avy ato anatiko
60 Ho ato anatiko ary mandra-pahafatiko:
61 " Tompo ô! tapaho re ny lelako,
62 " Raha ny Tenin-drazako no havelako.
63 " Eny, foano ny ho aviko,
64 " Raha'ty Teny taminao no tsy hotiaviko " !
|
|