|
|
|
|

Entry1  Tonon-taona mampanembona
Part of speech  2  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  3  Literature: poems
Author  4  Dox
Full text 
5  Mihamandao, mihamisinda, ho dify izao ny fahavaratra...
6  Efa manga tolakandro ny lanitra tsindraindray,
7  Ary misy mahalankalana ny takariva soa tomaratra,
8  Ny alina tomefy kintana, ngaly, tony fehizay.

9  Efa isaina koa izany hanenoana kotro-baratra,
10  Tsy hita intsony ny eton-draratra mpambombambomba alahelo;
11  Ny sori-dalan'ny masoandro mihilana mianavaratra;
12  Efa mihamangoratsaka ny tara-bolana manelo

13  Tsy tsiaro loatra intsony ny evoky ny hafanana.
14  Akaiky dia ho vony vary, manatona ny fijinjana
15  Ka mihorakoraka eny ry zareo mpiandry fody.

16  Tonon-taona mampanembona ny ambanivohitry ny tena!
17  Mahatsiaro ery ny fo… ny an-kafa no jerena
18  Irery aty an-tanin'olona, manimanina te-hody.

Updated on 2024/11/25