|
|
|
|

Entry1  tsipikely
Root  2  tsipy, kely
Part of speech  3  noun
Explanations in Malagasy  4  (ny manao) Teny nentina nilazana fahiny ny olona nampisotroina tangena ka efa nahafaka ny hoditr' akoho telo nefa mandoa indray avy eo sady fanina mandraingiraingy; nataon' ny mpampinona ho "resy" ihany ny manao tsipikely, raha hitany, ka darofany fanoto matetika ho faty, raha tsy tratra voatakontakon' ny havany angaha [1.1]
Explanations in French  5  [tsipy kely] petit vomissement, action de vomir un peu après avoir rendu les peaux de poule au jugement du tanguin [1.3]

Updated on 2020/07/31