|
|
|
|

Entry1  Tsy tanim-pahoriana
Part of speech  2  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  3  Literature: poems
Author  4  Rafanoharana
Full text 
5  Ry olo-mitomany
6  Misentosento lava,
7  Milaza fa ny tany
8  Feno haizin-tsy misava!

9  Moa marina e izany?
10  Moa tena fahoriana
11  No hita hatrany hatrany,
12  Fa tsy mba fifaliana?

13  Ry olo-mitomany,
14  Mitrakà vetivety:
15  Dinihonao ny tany
16  Miravo sy mifety!

17  'Reo tendrombohitra avo,
18  Havoana marobe;
19  Ny vato mena, mavo,
20  Tsy tena kanto ve?

21  He' rony koa ny ala,
22  Indreo ny renirano;
23  Moa mampisalasala
24  Fa tsara ireo? … Tazano!
25  Jereo ny zaridaina,
26  Todiho ny lohasaha;
27  Tsy faly ve ny saina?
28  Endrey maha-te-hizaha!

29  Ireo izay nambolena
30  Dia vokatra isan-taona.
31  Salama koa ny tena;
32  Nahoana no hisaona?

33  Tsy tanim-pahoriana
34  'Zao tanintsika izao!
35  Vonoy ny hakiviana;
36  Ho sambatra ianao!

37  Fotoana isentoana
38  Tsy betsaka tsy akory;
39  Minitra vitsy foana
40  Dia lasa ny mahory!

41  Ny ora maro sisa
42  Dia feno fitahiana,
43  Koa zovy no hanisa
44  'Reo poti-pijaliana?

Updated on 2024/11/25