|
|
|
|

Entry1  Antongona
Part of speech  2  name (toponym)
Vocabulary  3  Geography: mountains, vales
4  Geography: monuments
5  History: places
Explanations in Malagasy  6  havoana eo andrefana' Antananarivo (somary atsimo kely foana) sahabo ho 26 km, tora-dady, fa 32 km manaraka ny lalana; 3 na 4 km tora-dady avarabaratra kelin' Merintsiatosika (Fenoarivo); 1508 m ny hahavony...

Tamin'ny andron' ny ady an-trano fahizany dia ny tsangan' afo teo an-tampon-tendrombohitra no natao famantarana ny filam-bonjy tamin' ny manodidina nony nisy fahavalo nitady hananika. Nanao tsangan' afo toy izany ny teo Antongona. Koa nony matetika loatra taty aoriana dia tsy nampiraika ny olona intsony. Izany no nahatonga ny fitenenana hoe: "Efa ho lava ny afon' Antongona": enti-milaza ny antso vonjy, na hataka, miverimberina matetika, ka tsy mahataitra, na mampangoraka intsony...

Misy lovantsofina maromaro tonga angano momba an' Antongona... [1.10]

Examples  7  Ohatra ny omby mandry eo afovoan' ny ahitra no fitazanana an' anTONgona|Antongona avy eto [1.1]
Titles 
Proverbs  9  Proverbs containing the word Antongona
Tables and plates  10  Full list
Illustrations 
11 
12 
13 

Updated on 2020/12/20