|
|
|
|

Entry1  Arpaksada
Part of speech  2  name (biblical)
Vocabulary  3  Holy Scriptures
Explanations in Malagasy  4  Zafin' i Noa. Araka ny Gen. 10.22 dia zakakalahy fahatelon' i Sema izy. Araka ny Gen. 11. 10 kosa dia taranaka faharoa avy amin' i Sema mankamín' i Abrahama izy. Ny Gen. 10.22 dia fitanisana anaram-poko (na anaran-tany) avy amin' i Sema ; ny avy tany Babylonia sy Kaldea tsy voalaza ao anefa. Ny tapany aoriana amin' io anarana io dia misy ny teny hoe Kaseda (ampit. Gen. 22.22) izay singulier-n' ny hoe Kasdima (Kaldea). Angamba teny roa no nakambana ho iray tamin' ny Gen. 10. 22 tamin' ny voalohany ; ny tapany aoriana dia Kaseda ary ny aloha Arpaka, izay fari-tany any Asyria atsimo-andrefana dia tokony ho ilay voalazan' i Ptolemy hoe Arrapaenitis. Koa ny fahadisoan-tsoratra ao amin' ny Gen. 10. 22 no noraisina ho fototry ny ao amin' ny 11. 10-13. [1.38#90]
Explanations in English  5  Arphaxad: son of Shem and ancestor of Eber. [1.114#69]
Explanations in French  6  Arpakshad [2.996]
Other spellings  7  arfaksada
Biblical quotes  8  Chapters and verses mentioning Arpaksada
Tables and plates  9  Full list

Updated on 2020/08/02