Full text |
5 Ny masonao no itiavako iny habakabaka iny
6 Sa ny masonao no tiako dia ny habakaba-manga !
7 Asa izany fa ny foko dia mihira ny hafaliana
8 Anoloan’ny masonao sy ny lanitra mitranga.
9 Ny tsikinao no itiavako ny fivelaran’ny voninkazo
10 Sa ny molotrao no tiako dia ny voninkazo ihany !
11 Asa izany fa ny foko tsy mitsahatra ny mivazo
12 Anoloan’ny tsikinao sy ny voninkazo hatrany.
13 Tia ny vorona mihira aho fa nandre anao nikalo
14 Sa ny vorona mikalo no iventesako anao mandalo
15 Nitondra hira tamin’ny fiainako
16 Nangina hira an-taona maro!
17 Asa izany fa izao no hany zavatra tsaroako
18 Hatramin’ny niarahantsika dia mientana ny foko
19 Ka mivetso ny fitiavana
20 Ny antony… fantaro.
|
|