|
|
|
|

Entry1  Ndemahasoa Jean-Louis
Part of speech  2  name (anthroponym)
Vocabulary  3  History: individuals
4  Literature: authors
Explanations in Malagasy  5  Jean-Louis Ndemahasoa dia teraka tamin' ny 8 oktobra 1937, tao Tsarahalana Avaratra, Fierenana - Moranga. Nianatra tao Fierenana, kanjo tojo an' iny Tabataba, taona 1947 iny, dia nankany an' ala: niery tany mandritra ny roa taona ngarangidina; ka tamin' ny 1949 indray vao nankany Anivorano-Est: nandrato fianarana tao amin-draibeny. Avy tao izy no niditra ny Ecole Régionale, Toamasina. Nivoaka ny Collège Normal, dia nampianatra amin' ny Sekolim-Pirenena mandraka ankehitriny.

Nandeha tany Frantsa, nianatra tao Chartres tamin' ny taona 1957 izany. Nanomboka nanoratra tamin' ny taona 1954 izy. Ny Gazety Vaovao Frantsay-Malagasy (1955) no efa nivoahan' ny sorany. Toraka izany koa ny Fampitaha, Hehy, Revue de Madagascar, Dingana, Bulletin de Madagascar. Efatra anaka ankehitriny. Izy no mitarika ny mpiangaly Vako-dRazana Ny Valoalo. [2.245]

Elementary words  6  Ndemahasoa, Jean, Louis
Tables and plates  7  Full list

Updated on 2023/11/20