|
|
|
|

Entry (1/2)1  Radama II
Part of speech  2  name (anthroponym)
Vocabulary  3  History: individuals
Explanations in Malagasy  4  Radama II (1829-1863, manjaka 1861-1863) [2.113]
5  Rehefa nanjaka nandimby an-dRanavalona I Rakoto, dia natao hoe Radama II. Te-handrava izay fomba rehetra heveriny ho teritery Radama II.

Novotsorany ireo mpigadra noho ny fivavahana kristiana ary nohalefahiny ny sazy nomena ireo tamponja.

Navelany hiditra malaka tsara ny Vazaha. Koa tamin'ny fisehoany tamin'ny Septambra 1862 dia nisy solontena frantsay sy englisy nanatrika ny lanonana. Nanaraotra izany ny Vazaha mpivarotra ka nampiditra entana betsaka. Ary fahadisoan-dRadama ny nanafoana ny fadintseranana satria nibosesika teto ny toaka.

Ireo misionera dia navelany hiasa tsara. Nanatrika ny fotoam-pivavahana izy ary nampirisika ny fampianarana nokarakarain'ny misionera. Ny vahoaka dia samy nahazo manaraka ny fivavahana tiany. Tia andranandrana sy tia lalao i Radama II. Niara-nikorana sy nilalao tamin'ny zatovo niara-nihira taminy izy. Ireo sakaizany dia nanorenana trano fandihizana sy fimamoana ary tena "tsy mena-maso olona" mihitsy na tamin'ny toetra na tamin'ny fitondra-tena. Izany no nanaovana ny sakaizan-dRadama hoe Menamaso.

Ny fitondrantenan-dRadama sy ny fisakaizany tamin'ny Vahiny dia nanafintohina ny Manamboninahitra izay velona ahiahy fatratra. Koa raha nifanditra tamin-dRainivoninahitriniony ny Menamaso iray dia noteren'ny Paraiministra ny Mpanjaka handroaka ny Menamaso fa tsy nety.

Rehefa niala nenine fatratra ny Manamboninahitra dia nioko hamono ny Menamaso ary Radama II dia novonoiny nokendaina tamin'ny lamba landy, fa tsy azo alatsa-dra ny Andrianjaka (16 May 1863). [2.113]

Examples  6  Nanjaka tamy ny io taona 1862 Radama; [2.59#303]
7  Namboarina ho vadin-dRakotondradama (Radama II) izy. [2.649#1111]
Elementary words  8  Radama, II
Titles 
Tables and plates  10  Full list
Illustrations 
11 

Entry (2/2)12  Radama II
Part of speech  13  name (play)
Vocabulary  14  Literature: plays
Elementary words  15  Radama, II
Author  16  Ravelomoria Wast
Tables and plates  17  Full list

Anagrams  18  miara-dia, Radama II

Updated on 2023/11/20