Text |
7 Tamin’ny taona 1907 no nivoahan’Andriamatoa Antoine Marie Ramarlah ho dokotera avy tao amin’ny fianarana ho mpitsabo tao Ankadinandriana. Laharana faha 171e tamin’ireo mpitsabo voalohany teto Madagasikara izy. Tao amin’ny hopitalin’Antsirabe izy no nitsabo voalohany ka « Médecin de colonisation de 4e classe » no laharana nentiny. Tamin’ny taona 1910 dia mpiandraikitra ny « Commission Régionale de l'Assistance Médicale et de l'Hygiène Publique Indigène » tao Maevatanàna Mahajanga izy. Tamin’ny taona 1912 no niasany tao amin’ny toby fitsaboana ny tanana’i Benenitsa. Nianatra teny Bara izy ary nitoetra tao Ivohibe nanomboka tamin’ny 1914 fony vitany ny adidiny tamin’ny fanjakana, ka atramin’ny taona 1922 niverenany tany Antananarivo. [Ramarlah Dominique, 2016] |