|
|
|
|

Entry1  katolisisma
Part of speech  2  noun
Explanations in Malagasy  3  [1.1] Antokom-pinoana kristianina manaiky ny Papa ho filoha. Ny foto-pampianaran' ny katolisisma dia momba ny misterin' ny Trinite Masina, ny fahatongavan' ny Zanak' Andriamanitra (Jesoa Kristy) ho nofo, ny fanavotany ny olombelona tamin' ny fahotana tamin' ny alalan' ny fahafatesany, ny fifindran' ny fahotan' i Adama sy Eva (fahotana tamin' ny fototra) tamin' ny taranany rehetra, ary ny fanajana an' i Masina Maria ho toy ny renin' Andriamanitra
Vocabulary  4  Religions, Beliefs

Updated on 2024/12/07