Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 102 Takila 104 ->

[ireo zafi] keliny, fa rehefa tonga ny fotoany dia handeha izy ka izay te-hangata-javatra dia tokony hangataka azy hangataka izany amin'Andriamanitra, fa homeny azy izany. Izany ny amin'ny fiomanan’ireo anti-dahy ireo. Ny ray aman-dreny kosa dia mionona mandrakariva ho amin’ny fahafatesana ka mizara ny fananany ho an’ireo zanany tsirairay dieny mbola tsy maty izy. Ny olona nananany trosa na nanan-trosa aminy dia tantarainy madinidinika amin’ireo zanany, fandrao tonga tampoka ny ira-dRafahafatesana, ka tsy fantatra sao dia isan’ireo babony ho any amin'ny mandrakizay izy, koa dia tsy maintsy miomana mandrakariva.

Izany dia ny fiomanana amin'ny toetra an-davan’andro tsy marary izao, fa ny fiomanana eo am-paharariana kosa dia toy izao : « Mipetraka eo anolohan’ny marary ireto mpianakavy na ny kely na ny lehibe hataony veloma. Dia miteny ilay marary hoe : « Handeha aho izao, fa tonga ny fotoako, ka eto []


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany