Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 101 Takila 103 ->

Raha ny ao anatiny indray no eritreretina dia tany mendrika hatao fialan’ireo razana sasatra izy, rehefa avy nitondra fahoriana sy fahasasarana teto ambonin’ny tany ireo.

Izany ny finoany ny amin'Amboromena nefa toy ny tany fandalovana ihany izany fa tsy ho fonenana. Fa izay tena ho fodiana haharitra araky ny heviny dia ny any an-danitra. Tany tsara mahafinaritra hono ny tany any, ka tena mahafinaritra ny efa tonga any. 

3- Ny fiomanana ho any

Ny fiomanana ho any ankoatra eo amin'ny Bara dia hita na amin'ny toetra salama tsy marary izao, na amin'ny aretina. Amin'ny toetra an-davan’andro dia vonona mandrakariva ho amin'ny fahafatesana ireo anti-dahy ireo ka mazana manao veloma ireo zafi [keliny,]


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany