Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 100 Takila 102 ->

[izay midi] na any Farafangana. « Manambato » no atao anarany rehefa tonga any. Ny ilany ao avaratra indray namelana handehanan-drano hamelona ny Betsileo, dia ny any « Zomandao » izany, izay mihaona amin’« Ihosy » ka midina any ony « Mainty ». Ny ilan’io farihy io andrefana ihany koa dia nasiana dilany anankiray koa hivoahan-drano hampaha-vokatra ny tanin’ny Bara. Io ony io dia « Menarahaka », izay mandeha avaratra sy andrefana ary atsimon ’Ivohibe, ka miditra ao atsimon’i Vangaindrano « Mananara » no anarany rehefa tonga any. Vita plana toy izany hono ny toetr’io tany io ka raha ny mamaratra azy no heverina dia tany voafefy tsy ho kasihin’ny nofo aman-drà izy afa-tsy ny fahasivy (maty ) ihany. Raha ny rano mivoaka avy ao aminy indray no saintsainana dia mandroso soa avy aminy daholo ny ao antampony.
I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany