Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 36 Takila 38 ->

hatramin’ny 30 na 40 aza : feno setroka tsy ifankahitana akory manodidina ny trano amin'izany. Rehefa vita izany dia miditra ao an-trano ilay voatokany ka mitoetra ery atsinanana ery fa efa tsihy madio eo nomanina hitoerany. Miditra ao an-trano koa ny olona manaraka azy ao. Mangina tsara ny olona rehetra tonga ao tsy misy miteny afa-tsy loholona anankiray izay voatendry hitantara ireto toe-drainy ireto hianarany sy halainy tahaka sy mananatra azy mba tsy ho zaza intsony hatramin’izao. Ireto no toetran-drainy halainy tahaka :

(1) Ny hery : « Tsarovy fa olo-mahery ny rainao ka tsy nisy tafika na mpangalatra sahy naka omby teto amin'ity tanàna ity. Ary tsy mbola nangalarin’olona anaka izy fa asa indray amin'ny andronao izao ?

(2) Ny fahalemem-panahy : « Tsy misy nitaraina noho ny ratsy nataony ny fianakaviana fa samy nidera azy. Voalaminy tsara


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany