Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 37 Takila 39 ->

ny zavatra rehetra. Ny zaza amam-behivavy niady tsy mba niandrasany ela fa vitainy androtr’iny ihany. Ahoana no mba ho toetrao ? ».

(3) Ny laza : « Nalaza dia nalaza tamin’ny tany ama-monina ny rainao ka naha-te-hanaja izay rehetra nahita azy. Tsy haja norombahiny na nalainy an-keriny anefa izany, fa haja omen’ny olona azy noho ny toetrany. Apetraka eo anoloanao izao ireo toetra ireo ka asa na harainao na tsia ?”

(4) Ny finoan-drazana : « Tsy misy latsaka ny finoan-drazana rehetra izay navelan-drainy teo aminy fa tanterany daholo ka faly ny razana nahita izany, fa maty namela lehilahy tokoa. Ary Andriamanitra mitahy azy ».

« Nefa ankehitriny avela eo aminao ireo adidy ireo ka entinao tsara, tsara ; entinao ratsy, ratsy. Omena anao anio koa ny viarara (sabatra ka mariky ny fahefana) ka am-bodiny ianao manana ny sotrombiny (vody omby anjara hena [ny mpisorona).]


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany