Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 38 Takila 40 ->

[(vody omby anjara hena ] ny mpisorona). An-dohany mahatapaky ny vozony. Koa raha tsara ny toetrao dia maty namela lehilahy ny rainao ka sady rehareha no orim-bato (tsangam-bato) aty afara. Mitsangàna ary ka misikina ho lehilahy mandimby ray aman-drenin’ny rehetra ».

Rehefa vita izany teny izany dia miteny ilay atokana hoe : « Toky no omeko anareo androany, fa izay rehetra nataon’ny raiko dia ho tanterahiko an-tsakany sy an-davany. Izay vao nokasainy dia hataoko. Izay natombony, ho tanterahiko. Ary raha tsy maty lelefan-tany aho ka tetitetehina atao hena fito dia tsy hisy fahavalo na mpangalatra hahazo omby na zaza amam-behivavy amin'ity tanànako ity. » Mitana basy eny an-tànany izy no miteny izany, ka rehefa vita ny teniny dia ampimpoahiny ilay basy eny aminy. Ampimpoahina miaraka amin'io ny basy hatramin’ny folo ho tombokasen’izany anatra sy fanomezan-toky mahafinari [tra izany.]


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany