Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 70 Takila 72 ->

 hoe somondra dia izay mbola tovovavy tsiritsiriny, ka ireo indrindra no kendreny amin'ity).

(5) Barikatapaka : Ody famosaviana ny olona ankapobeny na antitra na tanora na ambony na ambany. Ny voan’io mosavy io hono dia ohatra ny tapaka any an-damosina, manevika amin'ny ila ka mampikehikihina. Izany no anaovana azy hoe : « barikatapaka » (barika tapaka).

(6) Maolalava : Mosavy tsy mba mahafaty faingana fa mahavery hevitra ka mampiteniteny foana, ary farany mampanjenjena. Izany no anaovana azy hoe : « maolalava « avy amin'ny tenin’ny Bara hoe maola = adala, ary lava dia ny faharetann’y fotoana.

(7) Mandriko : Poizina fanao amin'ny bala sy lefona hampijaly sy hampanaintaina izay voany (fony nitana basy aman-defona izy) ary hahatorana ny mandre ny feon’ny bala.


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany