Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 69 Takila 71 ->

(1) Raihelatse : Mosavy amelezany ny vehivavy be vohoka io, ka mahatonga azy ho toratorana raha teraka, ary manelatrelatra ohatra ny mahita helatra hono eo amin'ny masony ka izany no anaovana azy hoe : « Raihelatse ».

(2) Tsitrabalimatsaka : Mosavy mahafaty tampoka hono ity, fa na ny vady eny am-patsakana aza dia tsy mahatratra intsony ny ain’izay voany ka izany no anaovana azy hoe : « tsitrabalimatsaka » (tsy tratry ny vady matsaka)

(3) Variritse : Mosavy famelezan’ny mpahandro hono ity ka raha sendra eo am-pandrahoana no asiana azy dia ho faty izy rehefa masaka na ritra ny nahandro, ka izany no anaovana azy hoe : « variritse » (vary ritra na ritse)

(4) Somondraravaky : Mosavy famelezan’ny tanora indrindra koa hono izy io, ka izany no nahazoany anarana hoe : « somondraravaky » (ny tenin’ny Bara


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany