Full text |
13 Tsy avona akory no mitondra
14 iny rahona iny hisavoana,
15 Fa mba toa azy koa ny foko,
16 maniry hisondrotra ambony!
17 Tonga ny taona vaovao
18 mitondra hira mavokely
19 hokaloin'ny voron'alina,
20 sombinaiko ô, mifohaza!
21 Avelao ny alahelo sy ranomaso
22 hoentin'ny reniranom-panadinoana,
23 Fa misy kintana iray baliaka
24 toy ny masonao diavolana,
25 hitarika antsika ho teraka indray
26 ao amin'ny fanantenana vaovao.
27 Amin'ny tany triatran'ny ririnina
28 no hamelatra indray ny voninkazo.
29 Sombinaiko ô, iriko ho anao
30 taona iray feno hanitra sy hira.
31 Iriko ho anao lanitra menafify
32 hampialona ny laoranjy masaka,
33 sy feon-dokanga mihararetra, miakatra
34 toy ny vavaky ny ankizy hatory.
35 Iriko ho anao ny fotoana mamy
36 hiverenan'ireo lasan-davitra;
37 ary ny tanana iray malefadefaka
38 hitondra safosafo eo an-dohanao
39 mivesatra ny onjan'ny tany.
40 Dia hiarahantsika manandratra
41 Ny Amena fiton'ny fitiavana .
|
|