|
|
|
|

Entry1  Angolangolan' ny Tanora
Elementary words  2  angolangola, tanora
Part of speech  3  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  4  Literature: poems
Author  5  Rajaonarivelo Auguste
Text  6  Eny iky, ry rano manamika ery an-tsefatsefa-bato, ry lomotra maka toerana ery an-doharano!
7  Mba nikasa higoka, hono, aho, ka nangaina; nanantena handraoka ka nanjahatra.
8  Hay, iny no rivotra an-kadilanana, andraofan-tsy ahazoana, avela mitambolina ihany!
9  Hanky iny no embok' akondron' Isoamanidoka, andrasan-tsy latsaka, afoy toa hena.
10  Ka raha hikopa-damba dia ho roso moa iny ka haninona, fa ity izy misarisary zoro toa himpody, toa hiverina, no tsy zakako.
11  Mbola tia ka iavonana.

12  Saikiny

13  Hay ianareo ombimanga noana tojon' ny antsoron' Andraopasika, mody mianjona kanjo liana!
14  Tsiriry reraka sendra kamory, mody tofoka kanjo tia!
15  Aza malahelo, hono, rahavako, fa raha mibarera elatra toa hipetraka, hono, izy, tsy fitia fa avona; na misary zoro toa hijanona, hono, izy, tsy angola fa latsa!


Updated on 2024/12/10