|
|
|
|

Entry (1/4)1  babay
Part of speech  2  noun
Vocabulary  3  Game
Explanations in Malagasy  4  Kilalaon' ankizy izay manipy zavatra eny an-tanany hisavoana dia tantazany tsy ho latsaka sady ataony hoe: "Latsaka i babay, tonga i babay". (Sarina tanisa). [1.10]
Explanations in English  5  a children's game [1.2]
Explanations in French  6  Nom d'un jeu d'enfants consistant à laisser choir quelque chose de la main et à le ressaisir dans la chute. On dit en jouant : Latsaka babay, tonga babay. lit. Babay tombe, babay remonte [1.3]
Compound words 
Proverbs  8  Proverbs containing the word babay

Entry (2/4)9  babay
Part of speech  10  noun
Vocabulary  11  Relationships: family
Explanations in Malagasy  12  Teny fanaovan' ny tambanivohitra sasany, fiovan' ny hoe "baba" (dada). [1.10]13  renibe [Sihanaka] [1.78]
Explanations in English  14  in the provinces it used for father. [Provincial] [1.2]

Entry (3/4)15  babay
Part of speech  16  interjection
Explanations in Malagasy  17  Tenim-piontanana, na fahataraina, ataon' ny olona izay voatendrin' ny manampahefana hisambotra na hitana ny olona ahiahina ho namosavy. [1.10]
Explanations in English  18  an expression of lamentation uttered by the officers appointed to seize those suspected of sorcery. [1.2]
Compound words 
Tables and plates  20  All the interjections

Entry (4/4)21  Babay
Part of speech  22  name (toponym)
Vocabulary  23  Geography: mountains, vales
Explanations in Malagasy  24  Tendrombohitra eo ankavian-dalana mankany Mojanga, andrefan' i Moriandro, sahabo 6 km. atsimon' i Lovohitra. Mievotra eo afovoan' ny tany lamaka izy ; tomandavana mianavaratra sy mianatsimo, ary Babay no anaran-tokana ilazan' ny olona azy. Misy tendrony efatra anefa izy: ny atsimo no avo indrindra, ary mihaiva hatrany. Misy kirihitr' ala betsaka eny antenantenany eny :voafotsy no be amin' ireny, sy ilay hazo mafy atao hoe famaho, karazan' ny harahara. Samy efa nonenan' olona ireo tendrony efatra amin' i Babay. Ny atsimo indrindra dia atao hoe "Antampon' i Babay" : nonenan' izany olona natao hoe "Ibabay" na "Ralaibabay" (asa na Sakalava na Vazimba izy io). Ny tendrony manarakaraka dia "Ambohimanoro", nonenan' izay natao hoe Andriamanoro. Ny fahatelo dia "Ambohimalemizaka", nitoeran' izany "Andriamalemizaka". Ny tendrony fahefatra dia "Ambohitrandriana" ; io sisa misy mponina mandr ak' ankehitriny, ka ataon' ny olona hoe Babay. Samy voahodidina hadivory avokoa izy efatra. Fasana, fahitr' omby rava, ary vavahady mikorontana sisa hita eo amin' ireo telo atsimo. Samy fonenana tsara anefa izy, satria sady manga rivotra no akaiky rano (tra-toraka avy eo am-bavahady) ary mora iarovan-tena amin' ny fahavalo. -- Misy farihy telo namboarina eo antenantenany andrefana, izay samy be kirihitr' ala mahafinaritra. Ny lehibe indrindra dia "Andranosoa", tokony ho 150 m. ny lavany mianavaratra sy mianatsimo ary 80 m. ny sakany ; be harefo sy trondro io. Ny roa kelikely avy dia eo ambony atsinanan' ity lehibe : ankevitry ny samy 80 m. avy ny lavany ary 30 m. ny sakany : "Andranomizàna" sy "Andranonamboa" no anarany. ... [1.10]
Explanations in English  25  a mountain in Imerina [1.2]
Explanations in French  26  célèbre montagne au nord-ouest de l'Imerina [1.3]
Examples  27  Lohavohitra, lasan' ialahy ! ka dia alai' ny ialahy indray i babay ! [2.48]
28  Tonga indray ny taratasin'ny Prime Minister nanao hoe : Mankanesa ao babay hianareo; [2.59]
29  Avaradrano : renivohitra : Ambohimanga, Antananarivo " : Alasora " : Ambohidratrimo " : Fenoarivo " : Lohavohitra sy babay " : Betafo sy Antsirabe. [2.113]
Proverbs  30  Proverbs containing the word Babay
Tables and plates  31  Full list

Anagrams  32  ababy, Babay, babay, ababy, Babay, babay

Updated on 2023/09/21