|
|
|
|

Entry1  Etsy, matoria
Part of speech  2  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  3  Literature: poems
Author  4  Rado
Full text 
5  Anaka!
6  Etsy àry, matoria, ka dia manofisa mamy
7  ary akimpio ny maso...'ty ny tanako iondany!
8  I dada ity mandrotsirotsy, fa i neny efa trotraka
9  nitaom-biriky anikeo ary efa saiky potraka
10  noho ny haben'ny havizanany...
11  ka savolaina be ny tanany
12  Raha mingonongonona aho, aza atao manaitra anao
13  fa tsy momba anao akory izao ventesiko eto izao...
14  ...Isaorako aza Andriamanitra, raha tsy fantatrao akory
15  izay alehan'ny fisainako,
16  na izay adin'ny fiainako
17  feno zava-mifamaho mila tsy hahitako tory
18  efa an-taona maro izao!
19  ...Soa fa niafina aminao,
20  izany izaho mifoha maraina
21  mieritreritra ao an-tsaina
22  sy mitetika ny asa hamonoako ny masoandro
23  ho sakafontsika anio, na dia hoe indray mahandro...
24  ...Nefa ny hofan'ny sarety nitaterako aza mbola
25  notrosaiko tato atsimo...Nisy ihany mantsy vola
26  teo am-pelatanantsika,
27  nokendrena tsy hipika,
28  nefa lasan-dreninao hividianan-tapa-damba
29  hanapenana 'ty lobako...Ary ny ambiny, hono, angamba
30  raha misy dia hatao
31  akanjo anatiny ho anao
32  fa mamirifiry loatra ity ririnintsika ity!
33  ...Nefa, etsy, matoria,
34  fa hadalana ny an' i dada, resak'olona efa lanaka
35  ka ny adi-sainy indray no entiny hampatory zanaka...
36  ...Ts'hita mantsy, ry sombinaiko,
37  f'efa miady be ny saiko!
38  Rahampitso fotsiny aza:hifindra trano ny ato avaratra
39  ka izaho no hokaramainy...Mety ho vitan'io ny karatra!
40  Kanjo reko indray izao, fa ny lalana ho sakanana
41  rahampitso vao maraina...Hisy mantsy fitokanana
42  ato akaikintsika ato, ka ny sarety izay mandeha
43  dia havily avokoa fa handalo ireo Lehibe...
44  Ary izay 'lay mahavoa
45  sady mahavaky fo
46  ny mpitrongy tahaka anay ...Fa toa maro ny hetraketraka
47  tongatonga fotsiny eny, ka dia mahaketraketraka...
48  Nefa, etsy, matoria...
49  Mikimpia dia mikimpia...
50  Ary aza omenao tsiny Idada sy ny redirediny
51  F'efa tafahoatra loatra ny ahiahy sy tebitebiny...
52  ...Miondàna, sombinaina
53  eto am-poko be taraina.
54  Anaka!
55  Etsy àry, matoria, ka dia manofisa mamy
56  ary akimpio ny maso...'ty ny tanako iondany!
57  I dada ity mandrotsirotsy, fa i neny efa trotraka
58  nitaom-biriky anikeo ary efa saiky potraka
59  noho ny haben'ny havizanany...
60  ka savolaina be ny tanany
61  Raha mingonongonona aho, aza atao manaitra anao
62  fa tsy momba anao akory izao ventesiko eto izao...
63  ...Isaorako aza Andriamanitra, raha tsy fantatrao akory
64  izay alehan'ny fisainako,
65  na izay adin'ny fiainako
66  feno zava-mifamaho mila tsy hahitako tory
67  efa an-taona maro izao!
68  ...Soa fa niafina aminao,
69  izany izaho mifoha maraina
70  mieritreritra ao an-tsaina
71  sy mitetika ny asa hamonoako ny masoandro
72  ho sakafontsika anio, na dia hoe indray mahandro...
73  ...Nefa ny hofan'ny sarety nitaterako aza mbola
74  notrosaiko tato atsimo...Nisy ihany mantsy vola
75  teo am-pelatanantsika,
76  nokendrena tsy hipika,
77  nefa lasan-dreninao hividianan-tapa-damba
78  hanapenana 'ty lobako...Ary ny ambiny, hono, angamba
79  raha misy dia hatao
80  akanjo anatiny ho anao
81  fa mamirifiry loatra ity ririnintsika ity!
82  ...Nefa, etsy, matoria,
83  fa hadalana ny an' i dada, resak'olona efa lanaka
84  ka ny adi-sainy indray no entiny hampatory zanaka...
85  ...Ts'hita mantsy, ry sombinaiko,
86  f'efa miady be ny saiko!
87  Rahampitso fotsiny aza:hifindra trano ny ato avaratra
88  ka izaho no hokaramainy...Mety ho vitan'io ny karatra!
89  Kanjo reko indray izao, fa ny lalana ho sakanana
90  rahampitso vao maraina...Hisy mantsy fitokanana
91  ato akaikintsika ato, ka ny sarety izay mandeha
92  dia havily avokoa fa handalo ireo Lehibe...
93  Ary izay 'lay mahavoa
94  sady mahavaky fo
95  ny mpitrongy tahaka anay ...Fa toa maro ny hetraketraka
96  tongatonga fotsiny eny, ka dia mahaketraketraka...
97  Nefa, etsy,matoria...
98  Mikimpia dia mikimpia...
99  Ary aza omenao tsiny Idada sy ny redirediny
100  F'efa tafahoatra loatra ny ahiahy sy tebitebiny...
101  ...Miondàna, sombinaina
102  eto am-poko be taraina.

Updated on 2024/11/25