|
|
|
|

Entry1  fametrahana
Root  2  petraka
Part of speech  3  noun
Explanations in Malagasy  4  [1.1] Fanasiana amin' ny toerana anankiray: Fametrahana voninkazo eto ambony latabatra
Fanomezana (zavatra) mba hotehirizina, fanomezana (vola) mba hiteraka: Fametrahana vola amin' ny banky
Fanendrena: Fametrahana hisotro ronono
Fanalana, fanesorana, fanonganana: Omaly ny fametrahana ilay mpiasam-panjakana nihinana ny volam-bahoaka
Fandroahana, fisaorana: Tsy nisy tsy nahalala ny fametrahan-dRakoto an-dRavao
Explanations in French  5  [1.3#484] L'action de placer, de confier, de déposer, de destituer, de renvoyer, la cause, le lieu: Io ny vata fametrahana ny fitafiana (Voilà la malle où l’on met les vêtements)
6  [1.13] dépôt, implantation
Examples  7  [4.27#] Mifanaraka amin' ny Lalàmpanorenana ve ny fametrahana ny faritra?
8  [1.381#] Toerana fametrahana masom-boly (ambioka) ary fanorenam-pitia-vana fanambadiana.
9  [2.59#] Mazava ho azy moa fa mila vola enti-mihetsika tokoa ny fametrahana izany rafitra izany.
10  [2.245#] Nampiarahina ny fametrahana ny Tandro-drihana sy ny Fihemba: andro iray anatohana ireo.
Compound words 

Updated on 2024/12/11