Entry |
farany
|
Part of speech | adverb
|
Explanations in English | Finally [1.2]
|
Explanations in French | Enfin, en un mot [1.3]
|
Examples | Farany dia tonga ry zareo.
[2.356]
|
Compound words |
|
Hyponyms |
|
|
Entry |
farany
|
Part of speech | noun or adjective
|
Explanations in Malagasy | Aoriana indrindra amin' ny laharana, amin' ny fanadinana na fifaninanana: Ny Desambra no volana farany amin' ny taona ~ I Naivo no farany tamin' ny fanadinana tao [1.1]
|
Explanations in English | The end, the last, the conclusion, the extremity, the close. [1.2]
|
| The end, a limit [1.7]
|
Explanations in French | La fin d'une chose, le bout, la termisaison Dernier [1.3]
|
Examples |
1 | ho tsara farany hianareo!
[2.48]
|
2 | Tsinjony fa efa akaiky ny farany.
[2.499]
|
3 | Betatao, farany Merina amoron' ala;
[2.48]
|
|
Compound words |
|
Analogs |
farana |
|
Entry |
Farany
|
Elementary words | farany |
Part of speech | name (poem title)
|
Author | Razakandraina Jean Verdi Salomon |
Text |
Gina aho, eny tankina fa tsy nino hatramin'ny farany...
Mbola nihevitra ny hahazo hiady amin'ny fahafatesana!
Indrisy! tafahoatra ny heriko ny hangidin'ny fiharany ;
Eny! hankaiza aho anefa? Lahatra tsy ifandrefesana!
Tapitra fitepo hatreo ny fonao tia, rahavako...
Vata-mangatsiaka indrisy! sisa fihiniko eto an-tratra;
Eny! iky izany ianao ka ho afoin'ny fitiavako!
Ho banga anao ny fiainako, ô famoizana mahantra!
Mamaivay ny ranomaso : fahoria-mamelively...
Torovana sy fanina aho misaina ireo kamboty kely
Sy ny akany ho foana anao, tsy hahita anao intsony! ! !
Tsy foiko ianao hisaraka amiko, ry malala mamanara...
Nefa ho aiza aho fa resy anatrehan'ny Anjara!
Raiko ô, mangidy izao! Ny alaheloko onony!
|
|
Vocabulary |
Tables and plates | All the titles
|
|