Full text |
5 Ry fanahy mitanondrika, ry fanahy mahonena,
6 Fantatrao fa tsy eto no toerana doria ...
7 Fa ny aina dia nindramina, ka ho vovoka ny tena !
8 Kanefa aza very toky, matokia!
9 Ny malalanao anie, raha lasa, mialoha,
10 Fa tsy hoe afoy tanteraka: any hihaonanao aminy!
11 Ny nofo ihany no an'ny tany, hody tany ka ho lo;
12 Ny fanahy kosa tsy eto fa any an-danitra no taniny …
13 Tsy ny fahafatesana eto no atao ho fahavoazana ...
14 Fa ny diso lalam-piainana no ho diso tanindrazana
15 Tsy hihaona amin'ireo malala efa mialoha.
16 Mangidy moa ny fisarahana ka tsy maintsy alahelovana!
17 Ny nofo anefa no afoy fa ho tratram-pahalovana!
18 Miandrandrà fa aza miondrika amin'ity nofo ho lo!
|
|