Entry | fikarakarana (karakara) | |
Part of speech | noun | |
Explanations in Malagasy | Fitandremana, fanasoavana fatratra sy manokana atao amin' olona na biby, zavatra, raharaha: Rakoto no misahana ny fikarakarana ny fambolena Fiahiana, firaharahana: Anjaran' ny renim-pianakaviana indrindra ny fikarakarana ny tokantrano Fanomanana, fanamboarana: Ho tonga ny lehibe ka hanomboka rahampitso ny fikarakarana ny fandraisana azy Fifehezana, fitondrana, fanapahana: An' ny lehiben' ny Firaisana ny fikarakarana itỳ tanàna [1.1] | |
Explanations in English | Taking care of, looking after [1.7] | |
Explanations in French | Action de prendre soin; administration [1.8] | |
Anagrams | fikarakarana, firakarakana |
Updated on 2023/01/20 |