|
|
|
|

Entry1  fitampoha
Root  2  tampoka
Part of speech  3  noun
Explanations in Malagasy  4  [1.10] fampandroana an' i Dady. Dady dia isan' ny razamben' ny andriana sakalava, rahefa natokana ho zanahary hotompoina sy hiankohofana izy, sady efa vita moharay tamin' ny nifim-boay ny nifiny sy ny hohony, ets., ary tsy natao izany raha tsy efa amin' ny andron' ny zafikeliny izay manjaka. Izany no nanaovana azy hoe "Dady": Idadabe, satria raiben' ny zafiny manjaka amin' izay fotoana izay izy. Tsy maintsy nanokanana andro firavoravoana lehibe indray mandeha araka izay fe-taona na fe-potoana voatendry i Dady, hanompoana sy hanandratana azy ary hiankohofana aminy. Izany no atao hoe "fitampoha". Vahoaka tsieranaina no antsoina amin' izany rahefa hampandro an' i Dady. Milahatra manao tsy omby aloha amin' ny arabe dia miala satroka daholo rahefa mandalo izy.
5  [1.1] Fampandroana ao anaty rano mandeha ny sisan-taolan'ny razan'ny mpanjaka sakalava, izay atao amim-pomba lehibe arahindanonana isaky ny folo taona.
Explanations in French  6  [1.5] cérémonie du bain des reliques royales des Sakalava du Menabe
Examples  7  Efa fanao hatry ny ela ny fitampoha. [2.508]
8  Ny hevitry ny teny hoe "fitampoha" dia fandroana. [2.606]
Titles  9  Fantaro ny Fitampoha (anonymous)

Anagrams  10 

Updated on 2025/01/21