|
|
|
|

Entry1  Fo mitohy
Part of speech  2  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  3  Literature: poems
Author  4  Rabearivelo Jean-Joseph
Full text 
5  Toa lisy maina, toa raozy malazo,
6  Misento fa ory sy manina anao,
7  Mariry tsy fantatra. Angaha voninkazo?
8  Asa, tsy fantatra hatramin'izao.

9  Miofo ny loko, malazo ny taho,
10  Toa zary bozaka, tsy lisy intsony.
11  Tsy hehy na tsiky fa feo mitalaho,
12  Toa rivo-baratra tsy mba mitony

13  Miova ho fatana izany masoandro,
14  Ny rivotra koa manjary mamono:
15  Izany no fiainana maizina antoandro
16  Manolo-poizina izay mila ronono
17  Ny lira madinika, mozikan'Edena:
18  Izany tsy re, izany tsy misy;
19  Tsaroana fa singany irery ny tena,
20  Tsaroana fa bozaka ilay tsy mba lisy.

21  Ry vorona ery! Ry rivo-mandalo!
22  Andeha mba ilazao ilay tiana sy tia
23  Fa ketraka hoe ka tena mimalo
24  Ilay tsy eo anilany lavitra aty.

Anagrams  25  Fo mitohy, hofitoim

Updated on 2024/11/25